Salamo 109:1-31

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 109  Ry Andriamanitra deraiko ô,+ aza mangina fotsiny,+   Fa manoka-bava hamelezana ahy ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka.+Milaza lainga momba ahy izy ireo.+   Nataony voahodidin’ny teny fankahalana aho,+Ary tsy mitsahatra miady amiko tsy amin’antony izy ireo.+   Fanoherana foana no avaliny ny fitiavako azy,+Fa izaho kosa mivavaka.+   Mamaly ratsy ny soa nataoko izy ireo,+Ary fankahalana no avaliny ny fitiavako azy.+   Aoka ho olona ratsy fanahy no hotendrenao hanam-pahefana aminy,Ary hisy mpanohitra+ anie hitsangana eo ankavanany!   Aoka hambara ho meloka izy rehefa hotsaraina,Ary ho lasa fahotana ny vavaka ataony.+   Aoka ho vitsy andro izy,+Ary aoka ho lasan’olon-kafa ny andraikitra notanany.+   Aoka ho kamboty ray ny zanany,+Ary ho mpitondratena ny vadiny.+ 10  Hirenireny tokoa anie ny zanany,+Ary hangataka,Ka handao ny tanànany efa aolo, mba hitady hanina!+ 11  Aoka hamela-pandrika hahazoana ny fananany rehetra ny mpampanjana-bola,+Ary horobain’olon-tsy fantatra+ ny zavatra nisasarany.+ 12  Enga anie ka tsy hisy olona ho tsara fanahy aminy!+Ary tsy hisy hiantra anie ireo zanany kamboty ray! 13  Aoka haringana ny taranany,+Ary hofafana tsy hotadidin’ny taranaka mandimby azy ny anarany.+ 14  Aoka hotsaroan’i Jehovah ny fahadisoan’ireo razany,+Ary tsy hokosehina+ ny fahotan-dreniny.+ 15  Aoka ho eo anatrehan’i Jehovah foana izany.+Ary hofoanany tsy ho eto an-tany anie ny fahatsiarovana azy ireo!+ 16  Tsy mba nahatsiaro haneho hatsaram-panahy feno fitiavana mantsy izy,+Fa nenjehiny foana ny ory sy ny mahantra+Ary ny kivy, mba hamonoany azy ho faty.+ 17  Tia nanozona+ izy ka dia voaozona,+Tsy faly tamin’ny fitahiana azon’ny hafa izy+Ka dia lavitra azy koa ny fitahiana.+ 18  Ozona no notafiny toy ny akanjo.+Koa nidina tao an-kibony toy ny rano izany,+Ary nanjary toy ny menaka tao amin’ny taolany. 19  Ho toy ny akanjo mandrakotra ny vatany anie izany,+Ary ho toy ny fehikibo mangeja azy foana!+ 20  Izany no karama omen’i Jehovah an’izay manohitra ahy+Sy manaratsy ahy.+ 21  Fa ianao kosa no Tompo Fara Tampony,+ Jehovah ô!Tsinjovy aho noho ny anaranao.+Vonjeo aho, fa lehibe ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.+ 22  Fa ory sy mahantra aho,+Ary voatsindrona ny foko ato anatiko.+ 23  Tsy maintsy ho lasa ihany aho, toy ny aloka madiva hanjavona.+Ary akifika toy ny valala aho. 24  Mangozohozo ny lohaliko noho izaho mifady hanina,+Mihamahia aho, ary tsy misy menaka ny hoditro.+ 25  Lasa olona fandatsa aho amin’izy ireo.+Mihivingivin-doha izy ireo rehefa mahita ahy.+ 26  Ampio aho, ry Jehovah Andriamanitro ô!+Vonjeo aho noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.+ 27  Enga anie ka ho fantany fa ny tananao no nanao izany,+Ary ianao, Jehovah ô, no nanatanteraka izany!+ 28  Aoka izy ireo hanozona,+Fa ianao kosa hitso-drano.+Nitsangana izy ireo, nefa aoka ho menatra.+Fa ny mpanomponao kosa hifaly.+ 29  Aoka hitafy henatra ireo manohitra ahy,+Ary aoka handrakotra ny vatany toy ny akanjo ivelany ny fahafaham-baraka.+ 30  Hankalaza fatratra an’i Jehovah ny vavako,+Ary eo anivon’ny olona maro no hiderako azy.+ 31  Fa hitsangana eo ankavanan’ny mahantra izy,+Mba hamonjy azy amin’ireo mitsara azy.

Fanamarihana