Salamo 11:1-7

Ho an’ny mpitarika. Nataon’i Davida. 11  I Jehovah no ialofako,+Koa ahoana no ahasahianareo milaza amiko hoe:“Mandosira toy ny vorona, ho any an-tendrombohitrareo?+   Jereo fa mamatotra ny tadin-tsipìkany ny ratsy fanahy.+Efa omaniny eo amin’ny tadin-tsipìka ny zana-tsipìkany,Mba hitifirany ny mahitsy fo, avy ao amin’ny maizimaizina.+   Raha rava ny fototra,+Inona no azon’ny olo-marina atao?”   Ao amin’ny tempoliny masina i Jehovah.+Any an-danitra ny seza fiandrianan’i Jehovah.+Ny masony mijery, eny, ny masony mandinika+ ny zanak’olombelona.   Samy dinihin’i Jehovah na ny olo-marina na ny ratsy fanahy,+Ary tena halany ny olona tia herisetra.+   Ny ratsy fanahy dia handrotsahany fandrika sy afo sy solifara,+Ary rivotra mahamay. Izany no anjara kaopin’ireny.+   Manao ny rariny i Jehovah,+ ary tena tia ny rariny.+Ny olo-marina no hahita ny tavany.+

Fanamarihana