Salamo 112:1-10

112  Miderà an’i Jah!+ א [Alefa]Sambatra izay olona matahotra an’i Jehovah,+ב [Beta]Sy finaritra+ erỳ mankatò ny didiny.+ ג [Gimela]   Hahery eto an-tany ny zanany,+ ד [Daleta]Ary ny taranaky ny olo-mahitsy hotahina.+ ה [He]   Zava-tsarobidy sy harena no ao an-tranony,+ו [Vao]Ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.+ ז [Zaina]   Mamirapiratra toy ny hazavana ao anaty haizina izy, ho an’ny olo-mahitsy.+ ח [Heta]Tsara fanahy sy mamindra fo ary tia rariny izy.+ ט [Teta]   Izay olona tsara dia miantra+ sy mampisambotra.+ י [Yôda]Manao ny rariny izy amin’izay ataony.+ כ [Kafa]   Tsy hangozohozo mihitsy izy.+ ל [Lameda]Hotsaroana mandritra ny fotoana tsy voafetra ny olo-marina.+ מ [Mema]   Tsy hatahotra handre vaovao ratsy izy.+ נ [Nona]Feno toky ny fony,+ miantehitra amin’i Jehovah.+ ס [Sameka]   Tsy miovaova ny fony,+ ary tsy hatahotra izy.+ע [Aina]Ho faly hahita izay hanjo ny fahavalony izy.+ פ [Pe]   Manao fanomezana be dia be izy, ary manome ho an’ny mahantra.+ צ [Tsade]Maharitra mandrakizay ny fahamarinany.+ ק [Kôfa]Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.*+ ר [Resa] 10  Hahita izany ny ratsy fanahy ka ho sosotra.+ ש [Shina]Hihidy vazana sy hitsonika izy.+ ת [Tao]Tsy ho tanteraka ny fanirian’ny ratsy fanahy.+

Fanamarihana

Jereo 1Sa 2:1 f.a.p.