Salamo 114:1-8

114  Rehefa nivoaka avy tany Ejipta ny Israely,+Ary nandao firenena mampiasa fiteny tsy azony ny taranak’i Jakoba,+   Dia lasa toerany masina i Joda,+Ary i Israely tonga fanjakany be voninahitra.+   Nahita izany ny ranomasina ka nandositra,+Ary niverin-dalana ny Reniranon’i Jordana.+   Nitsambikimbikina toy ny ondrilahy ny tendrombohitra,+Ary ny havoana nitsambikimbikina tahaka ny zanak’ondry.   Fa inona ity nahazo anao, ry ranomasina, no nandositra ianao,+Sy ianao, ry Jordana, no niverin-dalana?+   Ary inona ity nanjo anao, ry tendrombohitra, no nitsambikimbikina toy ny ondrilahy ianao,+Sy ianao, ry havoana, no nitsambikimbikina tahaka ny zanak’ondry?+   Aoka hanaintaina mafy ianao, ry tany, noho ny amin’ny Tompo+Eny, noho ny amin’Andriamanitr’i Jakoba,   Izay manova ny harambato ho kamory anirian’ny bararata,+Ary ny vatoafo, ho loharano.+

Fanamarihana