Salamo 115:1-18

115  Tsy mendrika hahazo na inona na inona izahay, Jehovah ô,+Fa ny anaranao kosa no mendrika hahazo voninahitra,+Araka ny hatsaram-panahinao feno fitiavana sy araka ny fahamarinanao.+   Nahoana ireo firenena no dia hilaza hoe:+“Aiza izay mba Andriamaniny?”+   Any an-danitra anefa ny Andriamanitray,+Ary izay rehetra mahafinaritra azy, dia ataony.+   Volafotsy sy volamena ny sampin’ireo firenena,+Sady asa tanan’olombelona.+   Manam-bava ireny sampy ireny, fa tsy miteny.+Mana-maso, fa tsy mahita.+   Manan-tsofina, fa tsy mandre.+Manana orona, fa tsy mandre fofona.+   Manan-tanana, fa tsy mahatsapa.+Manan-tongotra, fa tsy mandeha.+Ary tsy mahavoaka feo ny tendany.+   Ho sahala amin’ireny ny olona manao azy+Sy izay rehetra matoky azy.+   Matokia an’i Jehovah, ry Israely ô!+Izy no mpanampy sy ampingan’izy ireo.+ 10  Matokia an’i Jehovah, ry taranak’i Arona ô!+Izy no mpanampy sy ampingan’izy ireo.+ 11  Ianareo izay matahotra an’i Jehovah, matokia an’i Jehovah.+Izy no mpanampy sy ampingan’izy ireo.+ 12  Mahatsiaro antsika i Jehovah, ka hitahy antsika.+Hotahiny ny taranak’Israely.+Hotahiny ny taranak’i Arona.+ 13  Hotahiny izay rehetra matahotra an’i Jehovah,+Na ny kely na ny lehibe.+ 14  Hataon’i Jehovah mitombo isa ianareo,+Dia ianareo sy ny zanakareo.+ 15  Ianareo no tahin’i Jehovah,+Mpanao ny lanitra sy ny tany.+ 16  Ny lanitra dia an’i Jehovah,+Fa ny tany kosa nomeny ho an’ny zanak’olombelona.+ 17  Tsy midera an’i Jah na ny maty+Na izay midina any amin’ny toerana mangina.+ 18  Fa isika kosa hisaotra an’i Jah+Manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+Miderà an’i Jah!+

Fanamarihana