Salamo 116:1-19
116 Feno fitiavana aho, satria nohenoin’i Jehovah+Ny feoko sy ny fitalahoako.+
2 Nanongilan-tsofina nihaino ahy izy,+Ka hiantso azy aho mandritra ny androm-piainako.+
3 Namatotra ahy toy ny tady ny fahafatesana,+Ary azom-pahoriana aho toy ny efa any amin’ny Fasana.*+Ory sy nalahelo foana aho.+
4 Ny anaran’i Jehovah anefa no nantsoiko, ka hoy aho:+“Jehovah ô, vonjeo ny aiko!”+
5 Tsara fanahy sy tia rariny i Jehovah.+Andriamanitra mamindra fo ny Andriamanitsika.+
6 Miaro an’ireo mbola tsy dia nandia fiainana i Jehovah.+Nahantra fadiranovana aho, ka novonjeny.+
7 Hilamin-tsaina indray aho,+Fa nety ny nataon’i Jehovah tamiko.+
8 Novonjenao tsy ho faty mantsy aho,+Notsimbininao ny masoko mba tsy ho latsa-dranomaso, ary ny tongotro mba tsy ho tafintohina.+
9 Handeha+ eo anatrehan’i Jehovah aho, ao amin’ny tanin’ny velona.+
10 Nino+ aho ka niteny.+Ory dia ory aho.
11 Raiki-tahotra+ aho ka niteny hoe:“Mpandainga daholo ny olona rehetra.”+
12 Inona no havaliko an’i Jehovah+Noho ny soa rehetra nataony tamiko?+
13 Horaisiko ny kaopy misy famonjena+ lehibe,Ary ny anaran’i Jehovah no hantsoiko.+
14 Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho,+Eo anatrehan’ny olony rehetra.
15 Sarobidy amin’i JehovahNy fahafatesan’ireo olony tsy mivadika.+
16 Jehovah ô,+Mpanomponao ange aho e!+Eny, mpanomponao sady zanaky ny mpanompovavinao.+Novahanao ny fatorako.+
17 Ianao no hanolorako sorona fisaorana.+Ary ny anaran’i Jehovah no hantsoiko.+
18 Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho,+Eo anatrehan’ny olony rehetra,+
19 Ao an-tokotanin’ny tranon’i Jehovah,+Ao aminao, ry Jerosalema ô!+Miderà an’i Jah!+
Fanamarihana
^ Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.