Salamo 119:1-176

א [Alefa] 119  Sambatra izay mandeha tsy misy tsiny,+Dia izay mandeha amin’ny lalàn’i Jehovah.+   Sambatra izay manaraka ny fampahatsiahivany.+Amin’ny fo manontolo no itadiavan’ireny Azy.+   Tsy mba zatra manao ny tsy marina mihitsy ireny,+Fa mandeha amin’ny lalan’Andriamanitra.+   Ianao no efa nandidy+Mba hanarahana tsara ny didinao.+   Enga anie handeha amin’ny lala-mahitsy foana aho+Mba hitandremako ny fitsipikao!+   Amin’izay dia tsy ho menatra aho+Rehefa mandinika ny didinao+ rehetra.   Hidera anao amin-kitsim-po aho,+Rehefa fantatro fa ara-drariny ny didim-pitsaranao.+   Tandremako foana ny fitsipikao.+Aza dia afoy tanteraka re aho e!+ ב [Beta]   Ahoana no hahatonga ny tanora+ hadio fitondran-tena foana?Amin’ny fitandremana ny teninao.+  10  Amin’ny foko manontolo no itadiavako anao.+Aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho.+  11  Ato am-poko no itehirizako ny teninao+Mba tsy hanotako aminao.+  12  Isaorana ianao, Jehovah ô!Ampianaro ahy ny fitsipikao.+  13  Ny molotro no anambarako+Ny didim-pitsarana rehetra naloaky ny vavanao.+  14  Ny manaraka ny fampahatsiahivanao no mahafaly ahy,+Toy ny ifaliako amin’ny zava-tsarobidy hafa rehetra.+  15  Ny didinao no hosaintsainiko.+Handinika ny lalanao+ aho.  16  Ny lalànao no ho mamin’ny foko.+Tsy hohadinoiko ny teninao.+ ג [Gimela]  17  Ataovy amin’ny mpanomponao izay hitanao fa mety, mba ho velona+Sy hitandrina ny teninao aho.+  18  Sokafy ny masoko mba hahitako+Ny zava-mahagaga ao amin’ny lalànao.+  19  Vahiny monina eto amin’ity faritra ity aho.+Aza afenina ahy ny didinao.+  20  Rera-po aho noho izaho te handre foana+Ny didim-pitsaranao.+  21  Noteneninao mafy ireo olom-boaozona sahisahy ratsy,+Izay mihataka amin’ny didinao.+  22  Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana,+Fa manaraka ny fampahatsiahivanao aho.+  23  Na ny andriana aza naka toerana ka niara-nidinika mba hanohitra ahy.+Fa izaho mpanomponao kosa misaintsaina ny fitsipikao.+  24  Mamin’ny foko ny fampahatsiahivanao.+Toy ny olona manoro hevitra ahy ireny.+ ד [Daleta]  25  Toy ny efa miraikitra amin’ny vovoka aho.+Tsimbino ny aiko, araka ny efa nolazainao.+  26  Efa nambarako taminao izay rehetra nataoko, ka mba valio aho.+Ampianaro ahy ny fitsipikao.+  27  Ataovy azoko tsara izay takin’ny didinao,+Mba hisaintsainako ny asanao mahatalanjona.+  28  Tsy nahita tory aho noho ny alahelo.+Aoka ianao hampitraka ahy, araka ny efa nolazainao.+  29  Ampanalaviro ahy ny lalan-diso,+Ary aoka ianao hankasitraka ahy ka hampahafantatra ahy ny lalànao.+  30  Ny lalan’ny tsy fivadihana no nofidiko.+Hitako hoe mety tsara ny didim-pitsaranao.+  31  Mifikitra amin’ny fampahatsiahivanao+ aho.Aza avela hitsanga-menatra aho, Jehovah ô!+  32  Ny lalan’ny didinao+ no hihazakazahako,Satria halalahinao ny foko.+ ה [He]  33  Ampianaro ahy ny lalan’ny fitsipikao, Jehovah ô,+Mba hitandremako azy hatramin’ny farany.+  34  Ataovy azoko tsara izany, mba hanarahako ny lalànao+Sy hitandremako azy amin’ny foko manontolo.+  35  Ampandehano eo amin’ny lalan’ny didinao aho,+Fa mahafinaritra ahy izany.+  36  Zaro ho tia ny fampahatsiahivanao+ ny foko,Fa tsy ho tia tombony.+  37  Aza avela hifantoka amin-javatra tsy misy ilana azy ny masoko.+Ampandehano amin’ny lalanao aho mba ho voatsimbina ny aiko.+  38  Tanteraho amin’ny mpanomponao ny teninao,+Izay mahatonga ahy hatahotra anao.+  39  Esory amiko ny fahafaham-barakako izay atahorako.+Fa ara-drariny ny didim-pitsaranao.+  40  Maniry mafy hankatò ny didinao aho.+Tsimbino ny aiko noho ny fahamarinanao.+ ו [Vao]  41  Jehovah ô, anehoy hatsaram-panahy feno fitiavana aho+Ka vonjeo, araka ny efa nolazainao,+  42  Mba hamaliako an’ilay manala baraka ahy,+Fa ny teninao no atokisako.+  43  Aza esorina tanteraka eo am-bavako ny tenin’ny fahamarinana,+Fa miandry ny didim-pitsaranao aho.+  44  Hotandremako foana ny lalànao,+Mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+  45  Ary hiriaria eny amin’ny toerana malalaka aho,+Fa ny didinao no karohiko.+  46  Hilaza ny fampahatsiahivanao eo anatrehan’ny mpanjaka koa aho,+Ary tsy ho menatra.+  47  Ho mamin’ny foko ny didinao,+Izay efa tiako rahateo.+  48  Ary hanandra-tanana hivavaka aho, satria tiako ny didinao.+Hosaintsainiko ny fitsipikao.+ ז [Zaina]  49  Tsarovy ny teninao tamin’ny mpanomponao.+Koa miandry aho, satria efa nampanantena ianao.+  50  Izany no mampionona ahy rehefa ory aho,+Fa voatsimbina ny aiko+ noho ny teninao.  51  Manaraby ahy tafahoatra ny olona sahisahy ratsy,+Kanefa tsy miala amin’ny lalànao aho.+  52  Mahatsiaro ny didim-pitsaranao fahiny aho, Jehovah ô,+Ka mahazo fampiononana.+  53  Romotry ny hatezerana aho noho ny ratsy fanahy,+Izay mandika ny lalànao.+  54  Amiko ny fitsipikao dia toy ny hira fiderana,+Ao amin’ny trano ivahiniako.+  55  Mahatsiaro ny anaranao aho rehefa alina, Jehovah ô,+Mba hitandremako ny lalànao.+  56  Izany mihitsy no tsapako,Satria ny didinao no tandremako.+ ח [Heta]  57  I Jehovah no anjarako.+Efa nampanantena aho fa hitandrina ny teninao.+  58  Amin’ny foko manontolo no itadiavako sitraka* aminao.+Aoka ianao ho tsara fanahy amiko, araka ny efa nolazainao.+  59  Dinihiko tsara ny lalako,+Mba hamerenako ny tongotro ho amin’ny fampahatsiahivanao.+  60  Mailaka erỳ aho nitandrina ny didinao+Fa tsy nangataka andro.+  61  Nihodidina tamiko ny tadin’ny ratsy fanahy.+Tsy nohadinoiko anefa ny lalànao.+  62  Mifoha aho amin’ny misasakalina mba hisaotra anao,+Fa ara-drariny ny didim-pitsaranao.+  63  Naman’izay rehetra matahotra anao aho,+Ary naman’izay mitandrina ny didinao.+  64  Mameno ny tany ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, Jehovah ô!+Ampianaro ahy ny fitsipikao.+ ט [Teta]  65  Manao soa amin’ny mpanomponao tokoa ianao,+Jehovah ô, araka ny efa nolazainao.+  66  Hatsaran-toetra+ sy fahendrena+ ary fahalalana+ no ampianaro ahy,Fa ny didinao no inoako.+  67  Nanota tsy nahy+ aho talohan’ny nahitako fahoriana,Fa efa mitandrina ny teninao kosa aho izao.+  68  Tsara ianao sady manao ny tsara.+Ampianaro ahy ny fitsipikao.+  69  Manoso-potaka ahy ny olona sahisahy ratsy.+Fa izaho kosa hitandrina ny didinao+ amin’ny foko manontolo.  70  Manjary donto toy ny tavy ny fon’ireny.+Fa izaho kosa tia ny lalànao.+  71  Soa ihany aho nampahorina,+Mba hianarako ny fitsipikao.+  72  Mahasoa ahy ny lalàna+ aloaky ny vavanao,+Eny, mahasoa ahy noho ny volamena sy volafotsy an’arivony.+ י [Yôda]  73  Ny tananao mihitsy no nanao sy namolavola ahy.+Ataovy azoko tsara izany, mba hianarako ny didinao.+  74  Ireo matahotra anao no mahita ahy ka faly,+Satria miandry ny teninao aho.+  75  Fantatro tsara, Jehovah ô, fa ara-drariny ny didim-pitsaranao,+Ary noho ianao tsy mivadika, dia faizinao aho.+  76  Hampionona ahy anie ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+Araka ny efa nolazainao tamin’ny mpanomponao!+  77  Amindrao fo aho mba ho velona foana,+Fa ny lalànao no mamin’ny foko.+  78  Aoka ho menatra ireo sahisahy ratsy, satria mamitaka ahy tsy amin’antony.+Fa izaho kosa misaintsaina ny didinao.+  79  Aoka hiverina eto amiko ireo matahotra anao,+Sy ireo mahafantatra ny fampahatsiahivanao.+  80  Tsy hisy tsiny anie ny fitandreman’ny foko ny fitsipikao,+Mba tsy hitsanga-menatra aho!+ כ [Kafa]  81  Reraka aho miandrandra ny famonjenao.+Ny teninao no andrasako.+  82  Reraka ny masoko miandrandra ny teninao,+Ka hoy aho: “Mba rahoviana ihany ianao no hampionona ahy?”+  83  Fa nanjary toy ny siny hoditra+ azon’ny setroka aho.Tsy manadino ny fitsipikao anefa aho.+  84  Haharitra angaha moa ny androm-piainan’ny mpanomponao?+Rahoviana ihany ianao no hampihatra didim-pitsarana amin’ireo manenjika ahy?+  85  Nihady lavaka hamandrihana ahy ny olona sahisahy ratsy,+Izay tsy manaraka ny lalànao.+  86  Azo itokisana ny didinao rehetra.+Vonjeo aho fa enjehina tsy amin’antony!+  87  Raha nisy kely foana dia efa nofoanan’izy ireo tsy ho eto an-tany aho.+Tsy niala tamin’ny didinao anefa aho.+  88  Tsimbino ny aiko noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+Mba hanarahako ny fampahatsiahivana aloaky ny vavanao.+ ל [Lameda]  89  Mandritra ny fotoana tsy voafetra, Jehovah ô,+No mitoetra any an-danitra ny teninao.+  90  Maharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby ny tsy fivadihanao.+Nataonao mafy orina ny tany mba ho eo foana.+  91  Araka ny didim-pitsaranao, dia mbola eo mandraka androany ireo,+Satria mpanomponao izy rehetra.+  92  Raha tsy ny lalànao no mamin’ny foko,+Dia efa maty tao anatin’ny fahoriako aho hoatr’izay.+  93  Tsy hohadinoiko mihitsy ny didinao,+Satria ireny no itsimbinanao ny aiko.+  94  Anao aho, ka vonjeo+Fa ny didinao no karohiko.+  95  Miandry kendry tohina fotsiny ny ratsy fanahy mba hamonoana ahy.+Henoiko tsara foana anefa ny fampahatsiahivanao.+  96  Hitako fa manam-petra ihany izay rehetra tonga lafatra,+Fa ny didinao kosa mahakasika zavatra maro be. מ [Mema]  97  Tiako erỳ ny lalànao,+Ka saintsainiko foana!+  98  Ny didinao no mahatonga ahy ho hendry noho ny fahavaloko,+Satria ahy mandritra ny fotoana tsy voafetra ireny.+  99  Lasa lalin-tsaina mihoatra noho ny mpampianatra ahy rehetra aho,+Satria ny fampahatsiahivanao no saintsainiko.+ 100  Mahira-tsaina kokoa noho ny zokiolona aho,+Satria mitandrina ny didinao.+ 101  Tsy avelako ho any amin’ny lalan-dratsy ny tongotro,+Mba hitandremako ny teninao.+ 102  Tsy mivaona amin’ny didim-pitsaranao aho,+Fa ianao no mampianatra ahy.+ 103  Mamy amin’ny lelako ny teninao,Mihoatra noho ny tantely ao am-bavako!+ 104  Ny didinao no mahatonga ahy hahira-tsaina,+Ka lasa halako ny lalan-diso rehetra.+ נ [Nona] 105  Jiro ho an’ny tongotro ny teninao,+Sady fahazavana ho an’ny lalako.+ 106  Nianiana aho fa hanaja ny didim-pitsaranao+ ara-drariny,Ka hotanterahiko izany.+ 107  Ampahorina mafy aho.+Jehovah ô, tsimbino ny aiko araka ny efa nolazainao.+ 108  Jehovah ô, mba ankasitraho re ny fanatitra an-tsitrapo avy amin’ny vavako e!+Ary ampianaro ahy ny didim-pitsaranao.+ 109  Tandindomin-doza* foana ny aiko.+Tsy manadino ny lalànao anefa aho.+ 110  Mamela-pandrika hahazoana ahy ny ratsy fanahy.+Tsy mivaona amin’ny didinao anefa aho.+ 111  Raisiko ho fananako mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fampahatsiahivanao,+Fa ireny no fifalian’ny foko.+ 112  Zariko hankatò ny fitsipikao ny foko+Mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, hatramin’ny farany.+ ס [Sameka] 113  Halako ny olona miroaroa saina,*+Fa ny lalànao no tiako.+ 114  Fiafenako sy ampingako ianao.+Ny teninao no andrasako.+ 115  Mialà amiko ianareo mpanao ratsy,+Mba hitandremako ny didin’Andriamanitro.+ 116  Ampio aho, araka ny efa nolazainao, mba ho velona foana.+Ary aza avela ho menatra noho ny fanantenako aho.+ 117  Tohano aho mba ho voavonjy,+Dia hodinihiko foana ny fitsipikao.+ 118  Ailikao daholo izay mihataka amin’ny fitsipikao,+Satria lainga no entiny mamitaka.+ 119  Nesorinao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany.+Koa tiako ny fampahatsiahivanao.+ 120  Mihoron-koditra aho noho ny fahatahorana anao.+Ary matahotra aho noho ny didim-pitsaranao.+ ע [Aina] 121  Mampihatra didim-pitsarana ara-drariny aho ary manao ny marina.+Aza afoy eo an-tanan’ireo mpanambaka ahy aho.+ 122  Aoka ianao ho antoka ho an’ny mpanomponao, ny amin’izay hahasoa azy.+Enga anie tsy hanambaka ahy ny olona sahisahy ratsy!+ 123  Reraka ny masoko miandrandra ny famonjenao+Sy ny teninao marina.+ 124  Ento amin-katsaram-panahy ny mpanomponao.+Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.+ 125  Mpanomponao aho,+ ka ataovy azoko+Sy fantatro tsara ny fampahatsiahivanao.+ 126  Izao no fotoana anaovan’i Jehovah zavatra,+Fa mandika ny lalànao izy ireo.+ 127  Izany no itiavako ny didinao+Mihoatra noho ny volamena, eny, noho ny volamena voadio aza.+ 128  Koa hitako fa marina daholo ny didinao.+Halako ny lalan-diso rehetra.+ פ [Pe] 129  Mampiaiky volana ny fampahatsiahivanao.+Izany no antony anarahako azy ireny.+ 130  Ny fampiharihariana ny hevitry ny teninao dia manome fahazavana,+Ka lasa manam-pahalalana ireo mbola tsy dia nandia fiainana.+ 131  Sokafako mitanatana ny vavako mba hahafahako hisefosefo,Satria maniry mafy handre ny didinao aho.+ 132  Tsinjovy aho ary iantrao,+Araka ny didim-pitsaranao ho an’ireo tia ny anaranao.+ 133  Ataovy mamahatra tsara amin’ny teninao+ ny tongotro.Ary enga anie tsy hisy zava-dratsy hanandevo ahy!+ 134  Avoty aho tsy ho azon’olona mpanambaka,+Dia hotandremako ny didinao.+ 135  Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny tavanao,+Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.+ 136  Mikoriana toy ny renirano ny ranomasoko,+Noho ireo olona tsy mitandrina ny lalànao.+ צ [Tsade] 137  Tia rariny ianao, Jehovah ô!+Araka ny hitsiny ny didim-pitsaranao.+ 138  Mandidy anay hanaraka ny fampahatsiahivanao+ ianao,Satria tia rariny sady tsy mivadika mihitsy.+ 139  Ny hafanam-poko no hahafaty ahy,+Satria nohadinoin’ny fahavaloko ny teninao.+ 140  Madio tsara toy ny metaly voadio ny teninao,+Ka tian’ny mpanomponao.+ 141  Tsinontsinona sy fanamavo aho,+Nefa ny didinao tsy mba hadinoko.+ 142  Fahamarinana mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fahamarinanao.+Ary marina ny lalànao.+ 143  Azom-pahoriana sy nandia zava-tsarotra aho,+Nefa mamin’ny foko ny didinao.+ 144  Marina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fampahatsiahivanao.+Ataovy azoko tsara izany, mba ho velona foana aho.+ ק [Kôfa] 145  Miantso anao amin’ny foko manontolo aho+ ka valio, Jehovah ô!+Ny fitsipikao no hotandremako.+ 146  Miantso anao aho ka vonjeo,+Dia hanaraka ny fampahatsiahivanao aho.+ 147  Vao mangiran-dratsy+ dia efa mifoha aho mba hiantso vonjy aminao.+Ny teninao no andrasako.+ 148  Mbola tsy mifarana ny fiambenana amin’ny alina+ dia efa mihiratra ny masoko,Mba hisaintsainako ny teninao.+ 149  Henoy ny feoko, noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.+Jehovah ô, tsimbino ny aiko, araka ny didim-pitsaranao.+ 150  Efa manakaiky ireo fatra-panaraka fitondran-tena baranahiny.+Mivaona tanteraka amin’ny lalànao izy ireo.+ 151  Akaiky ianao, Jehovah ô!+Ary marina daholo ny didinao.+ 152  Efa hatry ny ela no nahafantarako ny sasany amin’ny fampahatsiahivanao.+Nataonao mba haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ireny.+ ר [Resa] 153  Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho.+Fa tsy mba manadino ny lalànao aho.+ 154  Raiso an-tanana ny adiko eo amin’ny fitsarana, ka avoty aho.+Tsimbino ny aiko, araka ny efa nolazainao.+ 155  Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena,+Satria tsy mikaroka ny fitsipikao+ izy ireo. 156  Lehibe ny famindram-ponao, Jehovah ô!+Tsimbino ny aiko, araka ny didim-pitsaranao.+ 157  Maro ny mpanenjika ahy ary maro koa ny fahavaloko,+Kanefa tsy miala amin’ny fampahatsiahivanao aho.+ 158  Mahita ny mpamitaka aho,+Dia rikoriko, satria tsy mitandrina an’izay voalazanao ireny.+ 159  Jereo fa tiako ny didinao.+Jehovah ô, tsimbino ny aiko noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.+ 160  Fahamarinana no votoatin’ny teninao,+Ary maharitra mandrakizay daholo ny didim-pitsaranao ara-drariny.+ ש [Sina] na [Shina] 161  Manenjika ahy tsy amin’antony ny andriana.+Ny teninao anefa no atahoran’ny foko.+ 162  Mahafaly ahy izay voalazanao.+Eny, faly toy ny mahazo babo be dia be aho.+ 163  Halako+ sady maharikoriko ahy foana ny lainga,+Fa ny lalànao no tiako.+ 164  Impito isan’andro no iderako anao,+Satria ara-drariny ny didim-pitsaranao.+ 165  Ho be ny fiadanan’ireo tia ny lalànao,+Ka tsy misy mahatafintohina azy.+ 166  Ny famonjenao no antenaiko, Jehovah ô!+Ary ankatoaviko ny didinao.+ 167  Arahiko ny fampahatsiahivanao,+Ary tiako loatra ireny.+ 168  Arahiko ny didinao sy ny fampahatsiahivanao,+Fa eo anatrehanao ny lalako rehetra.+ ת [Tao] 169  Ho tonga eo anatrehanao anie ny fitalahoako, Jehovah ô!+Ataovy mahira-tsaina aho, araka ny teninao.+ 170  Ho tonga eo aminao anie ny fitalahoako famindram-po!+Afaho aho, araka ny efa nolazainao.+ 171  Hiboiboika fiderana anie ny molotro,+Satria ampianarinao ahy ny fitsipikao!+ 172  Hihira ny teninao anie ny lelako,+Satria marina daholo ny didinao!+ 173  Hanampy ahy anie ny tananao,+Satria ny didinao no nofidiko!+ 174  Maniry mafy ny famonjenao aho, Jehovah ô!+Ary mamin’ny foko ny lalànao.+ 175  Ho velona foana anie aho mba hidera anao!+Ary hanampy ahy anie ny didim-pitsaranao!+ 176  Mirenireny toy ny ondry very aho.+ Mba tadiavo ny mpanomponao,+Fa tsy mba manadino ny didinao aho.+

Fanamarihana

A.b.t.: “analefahako ny tavanao.”
A.b.t.: “Eo am-pelatanako.”
A.b.t.: “manana fo voazarazara.”