Salamo 120:1-7

Hira Fiakarana. 120  I Jehovah no nantsoiko tao anatin’ny fahoriako,+Dia namaly ahy izy.+   Jehovah ô, afaho amin’ny molotra mandainga aho,+Sy amin’ny lela mamitaka.+   Inona no homena anao ary inona koa no hampiharina aminao,Ry lela mamitaka?+   Zana-tsipìka maranitra alefan’ny lehilahy mahery+Sy vainafon’anjavidy.+   Lozako fa vahiny monina ao Meseka+ aho,Ary manangana ny tranolaiko eo anivon’ireo tranolay ao Kedara!+   Efa ela loatra no niarahako nonina+Tamin’ireo tsy tia fihavanana.+   Mandala fihavanana+ aho, nefa isaky ny miteny aho,Dia mila ady amiko izy ireo.+

Fanamarihana