Salamo 121:1-8

Hira Fiakarana. 121  Hanopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra+ aho.Avy aiza no hahazoako fanampiana?+   Avy amin’i Jehovah no ahazoako fanampiana,+Eny, avy amin’ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany.+   Tsy avelany hangozohozo mihitsy ny tongotrao.+Tsy ho rendremana mihitsy Ilay mpiambina anao.+   Tsia, tsy ho rendremana na hatory+Ilay mpiambina ny Israely.+   I Jehovah no miambina anao.+I Jehovah no manome alokaloka+ anao, eo ankavananao,+   Ka tsy hamely anao ny masoandro rehefa antoandro,+Ary tsy haninona anao ny volana rehefa alina.+   I Jehovah no hiambina anao tsy hahita loza.+Eny, hiambina anao izy.+   I Jehovah no hiambina anao, na mivoaka ianao na miditra,+Manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+

Fanamarihana