Salamo 124:1-8

Hira Fiakarana nataon’i Davida. 124  “Raha tsy nomba antsika i Jehovah”,+Aoka ny Israely hanao hoe:+   “Raha tsy nomba antsika i Jehovah+Rehefa nisy olona nitsangana hanohitra antsika,+   Dia ho natelin’izy ireo velona isika,+Tamin’izy ireo tezitra mafy tamintsika.+   Ho nofaohin’ny rano koa isika,+Ary ho nanafotra antsika* ny riaka.+   Ho toy ny rano nanafotra antsikaNy olona sahisahy ratsy.+   Hisaorana anie i Jehovah, izay tsy namela antsika+Ho lasa rembin’ny nifin’izy ireo!+   Toy ny vorona afa-nandositra+Avy tao amin’ny fandriky ny mpamandri-borona+ isika.Tapaka ilay fandrika,+Ka afa-nandositra isika.+   Ny anaran’i Jehovah no ahazoantsika fanampiana.+Fa izy no Mpanao ny lanitra sy ny tany.”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.