Salamo 125:1-5

Hira Fiakarana. 125  Izay matoky an’i Jehovah+Dia sahala amin’ny Tendrombohitra Ziona,+ izay tsy voahozongozona fa mitoetra mandritra ny fotoana tsy voafetra.+   Tendrombohitra maro no manodidina an’i Jerosalema,+Ary manodidina ny olony toy izany koa i Jehovah,+Manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+   Fa tsy hijanona maharitra eo amin’izay anjaran’ny olo-marina ny tehim-panjakan’ny ratsy fanahy,+Sao hanatsotra ny tanany hanao ratsy ny olo-marina.+   Jehovah ô, manaova soa amin’ny olona tsara+Sy amin’ny mahitsy fo.+   Fa izay mivily hanaraka lalana tsy mahitsy kosa+Horoahin’i Jehovah miaraka amin’ny mpanao ratsy.+Fiadanana anie ho an’ny Israely!+

Fanamarihana