Salamo 126:1-6

Hira Fiakarana. 126  Rehefa nampodin’i Jehovah avy tamin’ny fahababoana ny mponin’i Ziona,+Dia hoatran’ny nanonofy isika.+   Nihomehy tsy nisy toy izany isika tamin’izay,+Sady nihoby ny lelantsika.+Tamin’izay, dia nifampiresaka ny olona teo amin’ireo firenena+ hoe:“Niavaka ny zavatra nataon’i Jehovah ho an-dry zareo!”+   Niavaka tokoa ny zavatra nataon’i Jehovah ho antsika,+Ka falifaly isika.+   Ampodio avy amin’ny fahababoana izahay, Jehovah ô,+Toy ny fanambanin’ny renirano ao Negeba.+   Izay mamafy amin-dranomaso,+Dia hijinja amim-pihobiana.+   Izay mivoaka mitondra masomboly eran’ny harona,+Eny, manao izany amin-dranomaso,+Dia tsy maintsy hody amim-pifaliana+Satria hitondra amboaram-bokatra.+

Fanamarihana