Salamo 127:1-5

Hira Fiakarana nataon’i Solomona. 127  Raha tsy i Jehovah no manao ny trano,+Dia very maina ny asa mafy ataon’ny mpanorina azy.+Ary raha tsy i Jehovah no miambina ny tanàna,+Dia very maina ny fiaretan-torin’ny mpiambina.+   Very maina ny hifohazanareo vao maraina+Sy ny tsy hipetrahanareo raha tsy efa alim-be+Ary ny hihinananareo sakafo azo tamin’ny fisasarana mafy.+Toy izany no hanomezany torimaso an’ilay malalany.+   Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro,+Ary valisoa ny aloaky ny kibo.+   Toy ny zana-tsipìka eny an-tanan’ny lehilahy mahery+Ny zanaky ny fahatanorana.+   Sambatra izay lehilahy tomady mameno+ ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny.Tsy ho menatra izy,+Satria hiteny eo anatrehan’ny fahavalo eny am-bavahady ireny.

Fanamarihana