Salamo 128:1-6

Hira Fiakarana. 128  Sambatra izay matahotra an’i Jehovah+Sy mandeha amin’ny lalany.+   Fa hihinana an’izay nisasaran’ny tananao ianao.+Ho sambatra ianao ary hahita soa.+   Ho tahaka ny voaloboka mahavokatra ny vadinao,+Ao amin’ny efitra anatiny indrindra amin’ny tranonao.Ary ny zanakao ho toy ny sampan’oliva+ manodidina ny latabatrao.   Toy izany no hitahiana ny lehilahy tomady+Izay matahotra an’i Jehovah.+   Hitahy anao avy ao Ziona i Jehovah.+Jereo koa ny firoboroboan’i Jerosalema mandritra ny androm-piainanao,+   Ary jereo ny zafikelinao.+Hisy fiadanana anie eo amin’ny Israely!+

Fanamarihana