Salamo 129:1-8

Hira Fiakarana. 129  “Efa ela izy ireo no te hanisy ratsy ahy, eny, efa hatramin’ny fahazazako!”+Aoka ny Israely hanao hoe:+   “Efa ela izy ireo no te hanisy ratsy ahy, eny, efa hatramin’ny fahazazako!+Tsy naharesy ahy anefa izy ireo.+   Nataon’ny mpiasa tany toy ny tany asaina ny lamosiko,+Ary nohalavainy ny vava asa nataony.”   Manao ny rariny i Jehovah.+Tapatapahiny ny tadin’ny ratsy fanahy.+   Ho menatra sy hitodi-doha hiverina+Izay rehetra mankahala an’i Ziona.+   Ho sahala amin’ny ahi-maitso eny amin’ny tafo izy,+Ka efa malazo sahady na dia mbola tsy nongotana aza.+   Tsy hisy mpijinja hameno ny tanany amin’ireny,+Na mpanangona amboara hamihina an’ireny eo an-tratrany.   Tsy hisy mpandalo koa hilaza hoe:“Hotahin’i Jehovah anie ianareo!+Mitso-drano anareo amin’ny anaran’i Jehovah izahay.”+

Fanamarihana