Salamo 13:1-6

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 13  Jehovah ô, mandra-pahoviana no hanadinoanao ahy?+ Ho mandrakizay ve?+Mandra-pahoviana no hanafenanao ny tavanao amiko?+   Mandra-pahoviana aho no hiady irery,Ka halahelo am-po foana tontolon’ny andro?Mandra-pahoviana ny fahavaloko no hisandratra ho ambony noho izaho?+   Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô!Ampamirapirato ny masoko,+ sao ho renoky ny torimasom-pahafatesana+ aho,   Sao hilaza ny fahavaloko hoe: “Naharesy azy aho!”Ary sao hifaly izy satria lasa mangozohozo aho.+   Fa izaho kosa matoky ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+Hifaly amin’ny famonjenao anie ny foko!+   Hihira ho an’i Jehovah aho fa namaly soa ahy izy.+

Fanamarihana