Salamo 130:1-8

Hira Fiakarana. 130  Tao anatin’ny fahoriana lalina no niantsoako anao, Jehovah ô!+   Henoy ny feoko, Jehovah ô!+Hanongilan-tsofina hihaino ny fitalahoako anie ianao!+   Raha mitsingoloka ny fahadisoanay ianao,+ ry Jah ô,Iza no hahajoro, Jehovah ô?+   Fa ao aminao ny tena famelan-keloka,+Mba hatahorana anao.+   Manantena aho fa hanampy ahy ianao, Jehovah ô! Manantena aho!+Ny teninao no andrasako.+   Miandry an’i Jehovah aho,+Mihoatra noho ny fiandrasan’ny mpiambina izay hahamaraina ny andro.+Tsy andriny izay hahatongavan’ny maraina.+   Aoka hiandry foana an’i Jehovah ny Israely.+Fa ao amin’i Jehovah ny hatsaram-panahy feno fitiavana,+Ary fanavotana miezinezina no ataony.+   Izy no hanavotra ny Israely ho afaka amin’ny fahadisoany rehetra.+

Fanamarihana