Salamo 131:1-3

Hira Fiakarana nataon’i Davida. 131  Jehovah ô, tsy nirehareha ny foko,+Ary tsy niandranandrana ny masoko.+Tsy nikatsaka ny ambony loatra aho,+Na naniry hahazo zavatra avo loatra.+   Efa nampitony sy nifehy ny faniriako aho,+Toy ny zaza efa nisara-nono eny amin-dreniny.+Toy ny fanirian’ny zaza efa nisara-nono ny faniriana ato anatiko.+   Aoka hiandry an’i Jehovah ny Israely,+Manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+

Fanamarihana