Salamo 132:1-18

Hira Fiakarana. 132  Jehovah ô, tsarovy i Davida,+Tsarovy ny fahoriany rehetra,+   Sy ny fianianany tamin’i Jehovah,+Ary ny voadiny tamin’Ilay Maherin’i+ Jakoba+ hoe:   “Tsy hiditra ao amin’ny tranolay fonenako aho.+Tsy hiakatra eo ambonin’ny farafara tsara tarehy fatoriako+ aho,   Tsy havelako hatory+Na ho rendremana ny masoko,+   Mandra-pahitako toerana ho an’i Jehovah,+Dia tranolay be voninahitra ho an’Ilay Maherin’i Jakoba.”+   Nahare momba azy io izahay tany Efrata,+Ary nahita azy io tany amin’ny faritra be ala.+   Andao hiditra ao amin’ny tranolainy be voninahitra,+Sy hiankohoka eo amin’ny fitoeran-tongony.+   Mitsangàna ho any amin’ny toeram-ponenanao, Jehovah ô,+Dia ianao sy ny Vata+ Masin’ny herinao.+   Aoka hitafy fahamarinana+ ny mpisoronao,Ary aoka hihoby ireo tsy mivadika+ aminao. 10  Noho ny amin’i Davida mpanomponao,+Dia aza lavina ilay voahosotrao izay mitodika aminao.+ 11  Efa nianiana tamin’i Davida i Jehovah,+Ka tsy hivadika amin’ny teniny mihitsy.+ Eny, efa nianiana izy hoe:“Izay aloaky ny kibonao+No hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao.+ 12  Raha hanaja ny fifanekena nataoko ny taranakao,+Ka hanaraka ny fampahatsiahivana atoroko azy,+Dia hipetraka mandrakizay eo amin’ny seza fiandriananao+Ny taranak’izy ireo.”+ 13  Fa efa nifidy an’i Ziona i Jehovah.+Naniry mafy honina ao izy,+ ka nanao hoe: 14  “Ity no toerana honenako mandrakizay.+Honina eto aho, fa izany no faniriako.+ 15  Handrotsahako fitahiana tokoa ny tahirin-tsakafo ao.+Ary hataoko voky hanina ny mahantra+ ao. 16  Hotafiko famonjena ny mpisorona+ ao,Ary hihoby tokoa ny olona tsy mivadika izay monina ao. 17  Ao no hataoko mitsimoka ny tandroka* ho an’i Davida.+Ary hanomana jiro ho an’ilay voahosotro aho.+ 18  Hataoko mitafy henatra ny fahavalony,+Fa ny fanjakany*+ kosa hiroborobo.”+

Fanamarihana

Jereo 1Sa 2:1 f.a.p.
A.b.t.: “diademany.”