Salamo 136:1-26

136  Misaora an’i Jehovah, fa tsara izy:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+   Misaora an’ilay Andriamanitry ny andriamanitra:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+   Misaora an’ilay Tompon’ny tompo:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+   Dia ilay Mpanao zava-mahagaga sy zava-mahatalanjona:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+   Ilay nanao ny lanitra tamin’ny fahiratan-tsainy:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+   Ilay namelatra ny tany ho ambonin’ny rano:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+   Ilay nanao ireo zavatra lehibe manome hazavana:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+   Ny masoandro hanjaka amin’ny andro:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+   Ary ny volana sy ny kintana hiara-manjaka rehefa alina:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+ 10  Misaora an’Ilay namely an’i Ejipta ka namono ny lahimatoany:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana,+ 11  Dia Ilay nitondra ny Israely nivoaka avy teo amin’ny Ejipsianina:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+ 12  Tamin’ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana; 13  Misaora an’Ilay nanasaraka ny Ranomasina Mena:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+ 14  Sy nampandeha ny Israely hamakivaky teo afovoany:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+ 15  Ary nanakifika an’i Farao sy ny tafiny ho ao amin’ny Ranomasina Mena:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+ 16  Dia Ilay nampandeha ny olony hamakivaky ny tany efitra:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+ 17  Ilay nandripaka mpanjaka lehibe:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+ 18  Sy namono mpanjaka+ malaza:Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+ 19  Dia i Sihona mpanjakan’ny Amorita:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+ 20  Sy Oga mpanjakan’i Basana:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+ 21  Ary nomeny ho lova ny tanin’ireo:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+ 22  Dia ho lovan’ny Israely mpanompony:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+ 23  Nahatsiaro antsika izy tamin’isika naetry:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+ 24  Ary imbetsaka izy no nanafaka antsika avy teo am-pelatanan’ny fahavalontsika:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+ 25  Izy no manome sakafo ho an’ny nofo rehetra:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+ 26  Misaora an’ilay Andriamanitry ny lanitra:+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+

Fanamarihana