Salamo 137:1-9

137  Teo amoron’ny renirano tany Babylona+ izahay no nipetrapetraka.+Teo koa izahay no nitomany rehefa nahatsiaro an’i Ziona.+   Teny amin’ny hazo aravaha+ tany BabylonaNo nahantonay ny harpa+ fitendrinay.   Nangataka anay hihira ireo mpamabo+Sy mpaneso anay mba hifalifaliany,+ ka hoy izy ireo:“Anaovy hiran’i Ziona+ izahay.”   Ataonay ahoana anefa no fihira ny hiran’i Jehovah+Any an-tanin’olona?+   Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô,+Dia aoka ny tanako ankavanana hanadino izay efa hainy.   Ary aoka ny lelako hiraikitra amin’ny lanilaniko+Raha tsy mahatsiaro anao aho,+Ary raha tsy i Jerosalema no asandratroHo ambony noho ny antom-pifaliako+ lehibe indrindra.   Jehovah ô, tsarovy+ ny nataon’ny taranak’i Edoma+ tamin’ny andro nandravana an’i Jerosalema,+Ka nilazan’izy ireo hoe: “Ravao tanteraka! Ravao hatramin’ny fotony!”+   Ry Babylona zanakavavy horobaina ô!+Ho sambatra ilay hamaly anao+Araka izay nataonao taminay.+   Ho sambatra ilay hibata ny zanakao sy hanatonta azy+Amin’ny vatolampy mba hahatorotoro azy.

Fanamarihana