Salamo 138:1-8

Nataon’i Davida. 138  Hidera anao amin’ny foko manontolo aho.+Eo anatrehan’ireo andriamani-kafa no hihirako fiderana ho anao.+   Hiankohoka manandrify ny tempolinao masina aho,+Sady hidera ny anaranao,+Noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana+ sy noho ny fahamarinanao.+Fa nankalazainao mihoatra noho ny anaranao ny teninao.+   Namaly ahy ianao tamin’ny andro niantsoako anao,+Ka nomenao fahasahiana aho ary nohatanjahinao.+   Hidera anao daholo ny mpanjakan’ny tany, Jehovah ô,+Satria ho ren’izy ireo ny teny aloaky ny vavanao.   Hihira momba ny lalan’i Jehovah koa izy ireo,+Fa lehibe ny voninahitr’i Jehovah.+   Na avo aza i Jehovah, dia mijery ny manetry tena,+Fa manalavitra ny olona manambony tena kosa izy.+   Hiaro ny aiko ianao raha mandia fahoriana aho.+Haninjitra ny tananao+ ianao satria tezitra ny fahavaloko,Ka hamonjy ahy ny tananao ankavanana.+   Hotanterahin’i Jehovah daholo izay noeritreretiny hahasoa ahy.+Mandrakizay ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, Jehovah ô!+Aza afoy ny asan’ny tananao.+

Fanamarihana