Salamo 139:1-24

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 139  Jehovah ô, mandinika ahy amin’ny an-tsipiriany ianao, ka mahalala ahy.+   Ianao no mahalala ahy, na mipetraka aho na mitsangana.+Fantarinao avy eny lavitra eny ny eritreritro.+   Voarefinao ny dia alehako sy ny toerana itsotsorako.+Ary hainao tsara ny lalako rehetra.+   Fa mbola tsy manonona teny akory ny lelako,+Dia efa fantatrao sahady ny tiako holazaina, Jehovah ô!+   Manao fahirano ahy avy ao andamosiko sy avy eo anoloako ianao,Ary apetrakao eo amiko ny tananao.   Mampiaiky volana ahy izany fahalalanao izany,+Sady avo loatra ka tsy takatro.+   Aiza no hialako amin’ny fanahinao?+Ary aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?+   Fa raha miakatra eny amin’ny lanitra aho, dia eny ianao.+Ary raha mamelatra ny fandrianako ao amin’ny Fasana* aho, dia any koa ianao.+   Ary raha maka ny elatry+ ny maraina aho,Mba honina any amin’ny ranomasina faran’izay lavitra,+ 10  Dia mbola mitarika ahy ny tananao+ na any aza,Ary mihazona ahy koa ny tananao ankavanana.+ 11  Raha hoy aho: “Handrakotra ahy tampoka tokoa ny haizina!”,+Dia ho lasa hazavana manodidina ahy ny alina.+ 12  Na ny haizina aza tsy maizina loatra aminao.+Fa hamirapiratra toy ny antoandro ny alina,+Ka hoatran’ny hazavana ihany ny haizina.+ 13  Fa ianao no nahary ny voako.+Notakonanao tao an-kibon’i Neny aho.+ 14  Hidera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy.+Mahatalanjona ny asanao.+Ary tena fantatro tsara izany.+ 15  Tsy niafina taminao ny taolako,+Tamin’izaho noforoninao tao amin’ny miafina,+Sy notenominao tao amin’ny faritra lalina indrindra+ amin’ny tany. 16  Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho.+Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatakoSy ny andro hiforonan’ireny,+Nefa mbola tsy nisy akory ireny, na iray aza. 17  Koa tena sarobidy amiko ny hevitrao!+Andriamanitra ô, tena be dia be tokoa ny isan’ireny!+ 18  Raha andramako isaina ireny, dia betsaka lavitra noho ny fasika.+Mifoha aho, ary mbola eo aminao ihany.+ 19  Haringanao anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô!+Dia hiala amiko tokoa ny olona meloka ho nandatsa-dra.+ 20  Milaza izay saim-pantany+ momba anao izy ireny.Manao tsinontsinona ny anaranao+ ireny fahavalonao+ ireny. 21  Jehovah ô, tsy hankahala an’izay mankahala mafy anao ve aho? +Tsy haharikoriko ahy ve izay mikomy aminao?+ 22  Halako dia halako tokoa ireny,+Ary lasa tena fahavaloko.+ 23  Diniho amin’ny an-tsipiriany aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko.+Diniho aho, ka fantaro ny zavatra mampanahy+ ahy. 24  Ary jereo sao misy lalana mampahory+ ato anatiko,Dia tariho ho amin’ny lalan’ny+ mandrakizay aho.

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.