Salamo 14:1-7

Ho an’ny mpitarika. Nataon’i Davida. 14  Ny adala miteny anakampo hoe:“Tsy misy izany Jehovah izany.”+Manao ratsy izy ireo,+ ary manao zava-maharikoriko.Tsy misy manao ny tsara.+   I Jehovah anefa mitazana avy any an-danitra, eny, mitazana ny zanak’olombelona izy,+Mba hahitana raha misy olona manan-tsaina ka mitady an’i Jehovah.+   Niala tamin’ny lala-mahitsy izy rehetra,+ ka ratsy toetra daholo.+Tsy misy manao ny tsara,+Na iray akory aza.+   Tsy mba misy manam-pahalalana ve ny mpanao ratsy,+No dia mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina?+Tsy mba miantso an’i Jehovah izy ireo.+   Raiki-tahotra mafy izy ireo tamin’izay,+Satria i Jehovah no eo anivon’ny taranaka manao ny marina.+   Ataonareo tsinontsinona foana ny fikasan’ny ory,Satria i Jehovah no ialofany.+   Hivoaka avy ao Ziona anie ny famonjena ny Israely!+Rehefa ampodin’i Jehovah ireo olony babo,+Dia aoka hifaly i Jakoba, ary hiravoravo i Israely.+

Fanamarihana