Salamo 140:1-13

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 140  Vonjeo tsy ho azon’ny olon-dratsy aho, Jehovah ô!+Ianao anie hiaro ahy amin’ny olona mahery setra,+   Izay mamorona teti-dratsy ao am-pony,+Sy manafika ahy foana isan’andro, toy ny any an’ady!+   Ataon’izy ireo maranitra toy ny an’ny menarana ny lelany.+Ao ambany molony ny poizin’ny bibilava+ misy tandroka. Sela.   Arovy tsy ho azon’ny tanan’ny ratsy fanahy aho, Jehovah ô!+Ianao anie hiaro ahy amin’ny olona mahery setra,+Izay mitetika ny hamingana ahy!+   Manafina fandrika hahazoana ahy ireo manandra-tena.+Ary tady maro no apetrany eny amoron-dalana ho harato hamandrihana ahy.+Mamela-pandrika ho ahy+ izy ireo. Sela.   Hoy aho tamin’i Jehovah: “Ianao no Andriamanitro.+Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ny fitalahoako, Jehovah ô!”+   Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô,+ ilay Mahery mpamonjy ahy,+Niaro ny lohako ianao tamin’ny fotoanan’ny ady.+   Aza tanterahina ny fanirian’ny ratsy fanahy, Jehovah ô!+Aza avela hahomby ny teti-dratsiny, sao hanandra-tena izy.+ Sela.   Ny ratsy naloaky ny vavan’ireo manodidina ahy anieHitsingerina eo an-dohany ihany!+ 10  Enga anie ka hisy vainafo hiraraka eo an-dohany!+Aoka izy ireo halatsaka ao anaty afo,+ ao anaty lavaka fanangonan-drano, mba tsy ho tafakatra intsony!+ 11  Tsy haharitra eto an-tany anie ny olona mpanita-dresaka!*+Aoka henjehin’ny faharatsiana ny olona mahery setra, ka hoveliveleziny.+ 12  Fantatro tsara fa harovan’i Jehovah+Ny zon’ny ory, ary homeny rariny ny mahantra.+ 13  Hisaotra ny anaranao tokoa ny olo-marina,+Ary honina eo anatrehanao+ ny olo-mahitsy.

Fanamarihana

Na: “mpanendrikendrika.”