Salamo 142:1-7

Maskila nataon’i Davida tamin’izy tao anaty lava-bato.+ Vavaka. 142  Nanandratra ny feoko tamin’i Jehovah aho, mba hiantso vonjy.+Nanandratra ny feoko tamin’i Jehovah aho, mba hitalaho famindram-po.+   Teo anatrehany no namborahako ny zavatra mampanahy ahy,+Ary izy foana no nilazako ny fahoriako.+   Izany no nataoko rehefa rera-tsaina+ aho.Koa ianao no nahafantatra izay nalehako.+Eo amin’ny lalana izorako+No anafenan’izy ireo fandrika hahazoana ahy.+   Tazano eo ankavanako ka jereoFa tsy mba misy olona mankasitraka ahy.+Tsy misy toerana azoko andosirana intsony.+Tsy mba misy manontany ny momba ahy.+   Niantso vonjy taminao aho, Jehovah ô!+Hoy aho: “Ianao no fialofako,+Sy anjarako+ eo amin’ny tanin’ny velona.”+   Mba henoy re ny fitalahoako e,+Fa mahatsiaro ho mahantra fadiranovana+ aho!Afaho aho tsy ho azon’ny mpanenjika+ ahy,Fa matanjaka noho izaho ireny.+   Avoahy avy ato amin’ity lakaly figadrana+ ity aho,Mba hiderako ny anaranao.+Aoka hiangona manodidina ahy ny olo-marina,+Satria mety ny ataonao amiko.+

Fanamarihana