Salamo 143:1-12

Hiran’i Davida. 143  Jehovah ô, henoy ny vavaka ataoko.+Aoka ianao hanongilan-tsofina rehefa mitalaho aho.+Valio aho fa mendri-pitokisana sy manao ny rariny ianao.+   Aza mifandahatra amin’ny mpanomponao eo amin’ny fitsarana,+Satria tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.+   Fa nifofo ny aiko+ ny fahavalo.Namotika ny fiainako izy, ka nanosihosy ahy tamin’ny tany.+Ary nataony nonina tao amin’ny haizina aho, toy ny maty efa hatry ny ela.+   Rera-tsaina+ aho,Ary ngoly ny foko ato anatiko.+   Mahatsiaro ny andro fahiny aho.+Misaintsaina ny zava-drehetra nataonao aho,+Ary ny asan’ny tananao foana no tiako hoeritreretina.+   Mamelatra ny tanako ho aminao+ aho.Toy ny tany karakaina aho, ka mangetaheta anao.+ Sela.   Valio haingana aho, Jehovah ô!+Efa ho tapitra ny aiko.+Aza manafina ny tavanao amiko,+Sao ho toy ireo midina any an-davaka aho.+   Amin’ny maraina, dia ataovy izay handrenesako ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+Fa ianao no itokisako.+Ampahafantaro ahy ny lalana tokony halehako,+Fa foiko ho anao ny tenako.+   Afaho tsy ho azon’ny fahavaloko aho, Jehovah ô!+Ianao no fialofako.+ 10  Ampianaro hanao ny sitraponao aho,+Fa ianao no Andriamanitro.+Tsara ny fanahinao,+Ka enga anie izy io hitarika ahy, ao amin’ny tanin’ny fahitsiana!+ 11  Noho ny anaranao,+ Jehovah ô, dia tsimbino ny aiko!+Ary noho ny fahamarinanao,+ dia hanafaka ahy amin’ny fahoriako anie ianao!+ 12  Ataovy mangina ny fahavaloko,+ noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.Aringano izay rehetra te hanisy ratsy ahy,+Fa mpanomponao aho.+

Fanamarihana