Salamo 144:1-15

Nataon’i Davida. 144  Hisaorana anie i Jehovah, ilay Vatolampiko,+Izay mampianatra ny tanako hamely,+Sy mampianatra ny rantsantanako hiady,   Ilay maneho hatsaram-panahy amiko sy fiarovana mafy+ ho ahy,Tendrombohitra fandosirako sy Mpanafaka ahy,+Ampingako+ sy Fialofako,+Ilay manao izay haneken’ny vahoaka ahy!+   Jehovah ô! Inona moa izay olombelona no voamarikao,+Ary inona moa izay zanak’olombelona mety maty+ no ahinao?   Mihelina toy ny fofonaina ny olombelona,+Ka toy ny aloka mandalo ny androm-piainany.+   Jehovah ô! Atongilano ny lanitrao mba hidinanao,+Ary kasiho ny tendrombohitra mba hidona-tsetroka.+   Ampitselatselaro ny tselatra mba hanaparitahanao ny fahavalo,+Ary alefaso ny zana-tsipìkanao mba hampisahotaka azy.+   Ahinjiro avy any amin’ny avo ny tananao.+Afaho aho, ka avoty avy ao amin’ny rano be,+Dia avy eo am-pelatanan’ny hafa firenena.+   Milaza lainga ny vavany,+Ary ny tanany ankavanana dia tanana mamitaka.+   Hira vaovao no hohiraiko ho anao, Andriamanitra ô!+Lokanga misy tadiny folo no hanaovako hira fiderana ho anao.+ 10  Fa ianao no mamonjy mpanjaka,+Sy manafaka an’i Davida mpanomponao amin’ny sabatra mahafaty.+ 11  Afaho aho, ka avoty avy eo am-pelatanan’ny hafa firenena.+Milaza lainga ny vavany,+Ary ny tanany ankavanana dia tanana mamitaka.+ 12  Hoy izy ireo: “Toy ny zavamaniry mbola tanora nefa maroroka+ ny zanakay lahy,Ary ny zanakay vavy toy ny andry vita sokitra fahita eny an-joron’ny lapa. 13  Feno ny trano fitehirizam-bokatray sady misy vokatra isan-karazany.+Mitombo an’arivony ny ondry aman’osinay, ka ny iray manome iray alina, eny rehetra eny. 14  Bevohoka ny ombinay, sady tsy misy rovitra na afa-jaza.+Tsy misy mitaraina ao amin’ny tany malalaky ny tanànanay.+ 15  Sambatra ny olona mahomby toy izany!”Sambatra ny olona manana an’i Jehovah ho Andriamaniny!+

Fanamarihana