Salamo 147:1-20
147 Miderà an’i Jah,+Fa tsara ny mihira fiderana ho an’Andriamanitsika,+Eny, mahafinaritra izany. Mety ny midera azy.+
2 Manorina an’i Jerosalema i Jehovah.+Angoniny ireo Israelita miparitaka.+
3 Manasitrana+ an’ireo torotoro fo izy,+Ary manisy fehy ny ratran’izy ireo.+
4 Manisa ny kintana+ izy,Ary antsoiny amin’ny anarany avy izy rehetra.+
5 Lehibe ilay Tompontsika sady tena mahery.+Mahira-tsaina tsy misy hoatr’izany izy.+
6 Manao izay hahamaivana ny fahorian’ny mpandefitra i Jehovah.+Fa aetriny amin’ny tany kosa ny ratsy fanahy.+
7 Koa manaova hira mifamaly ho fisaorana an’i Jehovah.+Manaova hira amin’ny harpa mba hiderana an’Andriamanitsika,+
8 Ilay manarona rahona ny lanitra,+Ilay manao ny orana ho an’ny tany,+Ilay mampitsimoka ahi-maitso+ eny an-tendrombohitra.
9 Omeny sakafo ny bibidia+Sy ny zana-goaika mikiakiaka.+
10 Tsy ny tanjaky ny soavaly no mahafinaritra azy,+Ary tsy ny hafainganan-tongotry ny olona no ankasitrahany.+
11 Fa ny olona matahotra azy no ankasitrahan’i Jehovah,+Eny, ny olona miandry ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+
12 Ankalazao i Jehovah,+ ry Jerosalema ô!Derao Andriamanitrao, ry Ziona ô!+
13 Fa manamafy ny bara hidin’ny vavahadinao izy,Ary mitahy ny zanakao eo aminao.+
14 Ataony manjaka ao amin’ny faritra misy anao ny fiadanana.+Ary ataony voky varimbazaha faran’izay tsara* ianao.+
15 Mandefa ny didiny etỳ an-tany izy,+Ka haingana erỳ ny fihazakazaky ny teniny.
16 Manome lanezy, izay toy ny volonondry, izy.+Ary aparitany toy ny lavenona ny ranomandry mitsiratsiraka.+
17 Atsipiny toy ny sombi-mofo ny ranomandry.+Iza no mahatanty ny hatsiaka aeliny?+
18 Mandefa ny teniny izy+ dia mitsonika ireny.Ataony mitsoka ny rivotra,+Ka mikoriana ny rano.
19 Milaza ny teniny amin’i Jakoba izy.+Ary lazainy amin’ny Israely ny fitsipiny+ sy ny didim-pitsarany.+
20 Tsy nanao toy izany tamin’ny firenen-kafa izy.+Ary ny didim-pitsarany tsy mba fantatr’ireny.+Miderà an’i Jah!+
Fanamarihana
^ A.b.t.: “ny matavy amin’ny varimbazaha.”