Salamo 148:1-14

148  Miderà an’i Jah!+Miderà an’i Jehovah, ianareo any an-danitra.+Miderà azy any amin’ny avo.+   Miderà azy, ianareo anjeliny rehetra.+Miderà azy, ianareo rehetra ao amin’ny tafiny.+   Miderà azy, ry masoandro sy volana.+Miderà azy, ry kintana mazava rehetra.+   Miderà azy, ry lanitry ny lanitra,+Sy ianareo rano ambonin’ny lanitra.+   Aoka hidera ny anaran’i Jehovah+ ireo,Fa izy no nandidy, dia voaforona ireo.+   Ataony izay haharetan’izy ireo mandrakizay, eny, mandritra ny fotoana tsy voafetra.+Efa namoaka fitsipika izy, ary tsy ho foana mihitsy ireny.+   Miderà an’i Jehovah, ianareo etỳ an-tany,+Dia ianareo biby goavam-be any an-dranomasina sy ianareo rano lalina rehetra,+   Ianareo afo sy havandra, lanezy sy setroka matevina,+Ianareo rivo-mahery izay manatanteraka ny teniny,+   Ianareo tendrombohitra sy ianareo havoana rehetra,+Ianareo hazo fihinam-boa sy ianareo hazo sedera rehetra,+ 10  Ianareo bibidia sy ianareo biby fiompy rehetra,+Ianareo biby mandady sy vorona manana elatra,+ 11  Ianareo mpanjakan’ny tany+ sy ianareo firenena rehetra,Ianareo andriana+ sy ianareo mpitsara rehetra eto an-tany,+ 12  Ianareo tovolahy+ sy ianareo tovovavy virjiny,+Ianareo lehilahy zokiolona+ mbamin’ny ankizilahy.+ 13  Aoka samy hidera ny anaran’i Jehovah ireo,+Fa ny anarany ihany no avo indrindra.+Ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.+ 14  Hasandrany ny tandroky* ny olony+Ary hasandrany koa ny fideran’izay rehetra tsy mivadika aminy,+Dia ny zanak’Israely, izay firenena akaiky azy.+Miderà an’i Jah!+

Fanamarihana

Jereo 1Sa 2:1 f.a.p.