Salamo 149:1-9

149  Miderà an’i Jah!+Mihirà hira vaovao ho an’i Jehovah,+Mihirà fiderana ho Azy eo anivon’ny fiangonan’ny olona tsy mivadika.+   Aoka ny Israely hifaly amin’Ilay Be Voninahitra Mpanao azy.+Ary aoka ny zanak’i Ziona hiravoravo amin’ilay Mpanjakan’izy ireo.+   Aoka izy ireo hidera ny anarany amin’ny dihy.+Aoka izy ireo hihira fiderana ho Azy amin’ny ampongatapaka sy ny harpa.+   Fa ankasitrahan’i Jehovah ny olony.+Ravahany famonjena+ ny mpandefitra.   Aoka hifaly amim-boninahitra ireo olona tsy mivadika.Aoka izy ireo hihoby eo am-pandrianany.+   Aoka ho eo am-bavany ny hira fankalazana an’Andriamanitra,+Ary aoka hisy sabatra roa lela eny an-tanany,+   Mba hamaliana an’ireo firenena+Sy hanafaizana ny firenena samy hafa,+   Sy hamatorana ny mpanjakan’ireny amin’ny rojo,+Sy ny manamboninahiny amin’ny gadra vy,   Ary hampiharana amin’izy ireo ny didim-pitsarana voasoratra.+Izay rehetra tsy mivadika amin’Andriamanitra no mahazo izany voninahitra izany.+Miderà an’i Jah!+

Fanamarihana