Salamo 15:1-5

Hiran’i Davida. 15  Jehovah ô, iza no hivahiny ao an-tranolainao?+Iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?+   Izay mandeha tsy misy tsiny+ sy manao ny marina+Ary milaza ny marina ao am-pony.+   Tsy manendrikendrika amin’ny lelany izy,+Na manisy ratsy olona,+Na manala baraka ny namany akaiky.+   Laviny tanteraka ny olona fanamavo,+Fa izay matahotra an’i Jehovah no hajainy.+Tsy mivadika amin’ny fianianany izy, na dia mitondra fahavoazana ho azy aza izany.+   Tsy mitaky zanabola izy rehefa mampisambotra,+Ary tsy mandray kolikoly hanamelohana ny tsy manan-tsiny.+Tsy hangozohozo mihitsy izay manao izany rehetra izany.+

Fanamarihana