Salamo 17:1-15

Vavak’i Davida. 17  Jehovah ô, mba henoy aho fa ara-drariny ny fangatahako. Aoka ianao hihaino ny fitalahoako,+Sy hanongilan-tsofina amin’ny vavaka avy amin’ny molotro tsy misy fitaka.+   Enga anie ianao ka hamoaka didim-pitsarana momba ahy!+Ary hijery izay rariny sy hitsiny anie ny masonao!+   Ianao efa nandinika ny foko sy nanara-maso ahy nandritra ny alina.+Manadio* ahy ianao. Ho hitanao fa tsy nisy teti-dratsy nataoko.+Tsy hanota ny vavako.+   Raha ny amin’ny zavatra ataon’ny olona kosa,Dia efa narahiko ny teninao, ka nitandrina aho mba tsy hanahaka ny fanaon’ny jiolahy.+   Tsy hiala amin’ny lalanao anie ny diako!+Tsy hangozohozo mihitsy ny tongotro, eo amin’ny lalanao.+   Miantso anao aho satria hamaly ahy ianao, Andriamanitra ô!+Aoka mba hanongilan-tsofina hihaino ny teniko ianao.+   Ataovy miavaka ny fanehoanao hatsaram-panahy,+ ry Mpamonjy an’izay mitady fialofanaMba tsy ho azon’ny mpikomy, dia ireo mikomy amin’ny tananao ankavanana.+   Arovy toy ny anakandriamaso aho.+Hanafina ahy eo amin’ny aloky ny elatrao anie ianao,+   Satria mandroba ahy ny ratsy fanahy!Manodidina ahy ny fahavalo izay mitady hamely ahy.+ 10  Efa nanamafy ny fony izy ireo,*+Ary teny feno fireharehana no naloaky ny vavany.+ 11  Manodidina anay any amin’izay alehanay izy ireo ankehitriny,+Ary manara-maso anay mba handavo anay amin’ny tany.+ 12  Toy ny liona efa te hamiravira mafy izy,+Ary toy ny liona tanora mamitsaka ao amin’ny takona. 13  Mitsangàna, Jehovah ô! Aoka ianao hifanandrina aminy.+Ataovy izay hampiankohoka azy, ary aoka hanafaka ahy amin’ny alalan’ny sabatrao ianao, mba tsy ho azon’ny ratsy fanahy aho.+ 14  Aoka ny tananao hanafaka ahy tsy ho azon’ny olona, Jehovah ô,+Eny, hanafaka ahy tsy ho azon’ny olona eto amin’ity tontolo ity,+ izay tsy manana anjara afa-tsy amin’izao fiainana izao.+Fenoinao ny zava-tsoanao ny kibon’ireny.+Manan-janaka maro izy,+Ary manangona fananana izay avelany ho an’ny zanany.+ 15  Fa izaho kosa dia hibanjina ny tavanao, amin’ny fahamarinana.+Ary ho afa-po aho rehefa mifoha ka mahita anao.+

Fanamarihana

Midika ara-bakiteny hoe mandrendrika metaly mba hanadiovana azy.
A.b.t.: “nataony voahodidin’ny taviny ny tenany.”