Salamo 18:1-50

Ho an’ny mpitarika. Nataon’i Davida, mpanompon’i Jehovah. Nataony ho an’i Jehovah izao tononkira izao, tamin’ny andro namonjen’i Jehovah azy teo am-pelatanan’ny fahavalony rehetra sy teo am-pelatanan’i Saoly.+ Hoy izy: 18  Hiraiki-po aminao aho, Jehovah ô, fa ianao no heriko.+   I Jehovah no harambatoko sy fiarovana mafy ho ahy ary Mpanafaka ahy.+Andriamanitro no vatolampiko. Hialoka aminy aho,+Fa izy no ampingako sy tandroka famonjena ahy, tendrombohitra fandosirako.+   I Jehovah, Ilay mendrika hoderaina, no hantsoiko,+Ka ho voavonjy amin’ny fahavaloko aho.+   Namatotra ahy toy ny tady ny fahafatesana,+Ary nampihorohoro ahy koa ireo olona tsy manjary, izay nanafotra tampoka toy ny ranotrambo.+   Nangeja ahy toy ny tady ny Fasana,*+Ary nivelatra teo anoloako ny fandriky ny fahafatesana.+   Niantso an’i Jehovah foana aho, tao anatin’ny fahoriako.Ilay Andriamanitro no nilako vonjy.+Tao an-tempoliny izy no nandre ny feoko,+Ary ren’ny sofiny aho rehefa niantso vonjy.+   Nihozongozona sy nihovotrovotra ny tany,+Nihorohoro ny fototry ny tendrombohitra.+Nihozongozona tsy an-kijanona ireny satria nisy nampahatezitra Azy.+   Nisy setroka niakatra avy teo am-bavorony, ary nisy afo nandevona avy tamin’ny vavany.+Nisy vainafo niredareda avy taminy.   Dia natongilany ny lanitra ka nidina izy,+Ary haizim-pito no teo ambany tongony. 10  Nitaingina kerobima izy ka nanidina,+Ary niriotra teny ambony elatry ny anjely.*+ 11  Ny haizina no nataony fiafenana.+Ary nanodidina azy toy ny trano rantsankazoNy rahona mainty vonton-drano.+ 12  Nisy rahona nandalo teo amin’ilay famirapiratana teo anatrehany,+Sady nisy havandra sy vainafo.+ 13  Nampirefotra kotroka avy tany an-danitra i Jehovah,+Ary nanandratra ny feony ny Avo Indrindra,+Dia nisy havandra sy vainafo. 14  Tsy nitsahatra nandefa ny zana-tsipìkany izy mba hanaparitahana an’ireny,+Ary nandefa tselatra izy mba hahatonga an’ireny hisahotaka.+ 15  Nanjary hita ny fanambanin’ny renirano,+Ary niharihary ny fototry ny tany lonaka,+Satria niteny mafy azy ianao, Jehovah ô, eny, ny fofonain’ny vavoronao no nitsofanao azy.+ 16  Avy any amin’ny avo izy no nanatsotra ny tanany ka nandray ahy,+Ary nisarika ahy avy tao anaty rano be.+ 17  Nanafaka ahy tamin’ny fahavalo mahery izy,+Sy tamin’izay nankahala ahy. Nahery noho izaho mantsy ireny.+ 18  Nanohitra ahy foana ireny tamin’ny andro nahitako loza,+Nefa i Jehovah nanampy ahy.+ 19  Namoaka ahy eo amin’ny toerana malalaka izy,+Ary namonjy ahy satria nankasitraka ahy.+ 20  Mamaly soa ahy araka ny fahamarinako i Jehovah,+Ary mamaly ahy araka ny fahadiovan’ny tanako.+ 21  Fa nanaraka foana ny lalan’i Jehovah aho,+Ary tsy niala tamin’Andriamanitro, eny, tsy nanao izany ratsy izany aho.+ 22  Eo anatrehako ny didim-pitsarany rehetra,+Ary tsy mba hiala amin’ny lalàny aho.+ 23  Tsy hanan-tsiny eo anatrehany aho,+Sady hitandrin-tena tsy hanao fahadisoana.+ 24  Enga anie i Jehovah hamaly ahy araka ny fahamarinako,+Sy araka ny fahadiovan’ny tanako eo imasony!+ 25  Ny olona tsy mivadika no tsy hivadihanao,+Ary ny olona tsy manan-tsiny no hoentinao amin’ny fomba tsy misy tsiny.+ 26  Ny olona madio no hisehoanao ho madio,+Ary ny olona fatsora no hisehoanao ho fetsy.+ 27  Hovonjenao ny ory,+Ary haetrinao kosa ny maso miandranandrana.+ 28  Fa ianao no hampirehitra ny jiroko, Jehovah ô!+Ary ilay Andriamanitro no hanazava ny haizina misy ahy.+ 29  Noho ianao, dia mahavita mihazakazaka hamely mpandroba aho,+Ary noho ilay Andriamanitro, dia mahavita mianika manda aho.+ 30  Tonga lafatra ny lalan’ilay tena Andriamanitra.+Madio toy ny metaly voadio ny tenin’i Jehovah.+Ampingan’izay rehetra mialoka aminy izy.+ 31  Fa iza no Andriamanitra ankoatra an’i Jehovah?+Ary iza no vatolampy ankoatra an’Andriamanitsika?+ 32  Ilay tena Andriamanitra no manome hery ahy,*+Ary hataony lavorary ny lalako.+ 33  Ataony toy ny an’ny serfavavy ny tongotro,+Ary eo amin’ny toerana avo be no ampijoroany ahy.+ 34  Mampianatra ny tanako hiady izy,+Ary ny sandriko no nampiasaiko hamatorana ny tadin’ny tsipìka varahina.+ 35  Hanome ahy ny ampinga famonjenao ianao,+Ary hanohana ahy ny tananao ankavanana.+Ny fanetren-tenanao no hampisandratra ahy.+ 36  Hataonao malalaka tsara ny lalana hodiaviko,+Ary tsy hangozohozo mihitsy ny tongotro.+ 37  Hanenjika ny fahavaloko aho ka hahatratra azy,Ary tsy hiverina aho mandra-paharingany tanteraka.+ 38  Hotorotoroiko ireny mba tsy ho afa-mitsangana intsony.+Ho lavo eo ambany tongotro ireny.+ 39  Homenao hery hoenti-miady aho,Ary hataonao lavo eo ambaniko izay mitsangana hanohitra ahy.+ 40  Hataonao mandositra eo anatrehako ny fahavaloko,*+Ary hataoko mangina izay mankahala mafy ahy.+ 41  Miantso vonjy ireny nefa tsy misy mpamonjy,+Eny, miantso an’i Jehovah ireny nefa tsy valiany.+ 42  Hataoko torotoro toy ny vovoka entin’ny rivotra ireny,+Ary hatsipiko toy ny fotaka eny an-dalambe.+ 43  Hanafaka ahy amin’ny fanakianan’ny olona ianao.+Hanendry ahy ho filohan’ireo firenena ianao.+Ary vahoaka mbola tsy fantatro no hanompo ahy.+ 44  Hanaiky ahy izy ireo raha vao mandre fotsiny ny momba ahy,+Hanatona ahy amin-tahotra ny hafa firenena.+ 45  Ho lany hery ny hafa firenena,Ary hipararetra izy ireo mivoaka avy ao amin’ny manda fiarovany.+ 46  Velona i Jehovah.+ Hisaorana anie ilay Vatolampiko,+Ary hasandratra anie ilay Andriamanitra mpamonjy ahy!+ 47  Ilay tena Andriamanitra no Mpamaly ny ratsy atao amiko,+Ary ataony manaiky ahy ireo firenena mba ho eo ambaniko.+ 48  Manafaka ahy tsy ho azon’ny fahavalo tezitra izy.+Hanandratra ahy ho ambonin’izay mitsangana hanohitra ahy ianao,+Ary hanafaka ahy amin’ny olona mahery setra.+ 49  Koa izany no hiderako anao eo amin’ireo firenena, Jehovah ô,+Sy hanaovako hira fiderana ho an’ny anaranao.+ 50  Manao asa famonjena lehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny izy,+Ary maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny voahosony,+Dia i Davida sy ny taranany, mandritra ny fotoana tsy voafetra.+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Na: “elatry ny rivotra.”
A.b.t.: “mangeja ny andilako amin’ny hery.”
A.b.t.: “Homenao ahy ny hatoky ny fahavaloko.”