Salamo 19:1-14

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 19  Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra,+Ary ny habakabaka milaza ny asan’ny tanany.+   Miboiboika teny fiderana ny andro tsirairay,+Ary ny alina tsirairay manome fahalalana.+   Tsy miteny izy ireo, ary tsy mivolana.Tsy misy feo re avy aminy.+   Efa nivoaka eran-tany anefa ny tady fandrefesany,+Ary efa tonga hatrany amin’ny faran’ny tany ny teny lazainy.+Nasian’Andriamanitra tranolay ho an’ny masoandro, eny amin’ny lanitra.+   Toy ny mpampaka-bady mivoaka avy ao amin’ny efitranony izy.+Ary mifaly toy ny lehilahy matanjaka mihazakazaka eny amin’ny lalany.+   Avy any amin’ny faravodilanitra iray no iaingany,Ary any amin’ny faravodilanitra anankiray no amaranany ny diany.+Tsy misy tsy azon’ny hafanany.+   Tonga lafatra+ ny lalàn’i+ Jehovah sady mamelombelona.+Azo itokisana+ ny fampahatsiahivan’i+ Jehovah, mampahahendry+ an’izay mbola tsy dia nandia fiainana.   Mahitsy+ ny fitsipik’i+ Jehovah, mahafaly ny fo.+Madio+ ny didin’i+ Jehovah, mampahiratra ny maso.+   Madio ny fahatahorana+ an’i Jehovah, maharitra mandrakizay.Marina+ ny didim-pitsaran’i+ Jehovah, ara-drariny+ avokoa. 10  Faniry noho ny volamena ireny, eny, noho ny volamena voadio be dia be,+Ary mamy noho ny tantely+ sy ny tantely mikoriana avy amin’ny tohotra.*+ 11  Fampitandremana ho an’ny mpanomponao koa ireny,+Ary ahazoana valisoa lehibe ny fitandremana azy.+ 12  Iza no mahatsapa ny fahadisoana ataon’ny tenany?+Mamelà ahy amin’izay fahotana tsy fantatro akory.+ 13  Arovy koa ny mpanomponao mba tsy ho sahisahy hanao izay tsy tokony hatao,+Ary aza avela hifehy ahy izany toe-tsaina izany.+Amin’izay dia tsy hanan-tsiny aho,+Ary tsy ho meloka ho nanao fahadisoana maro. 14  Enga anie ny tenin’ny vavako sy izay saintsainiko ato am-poko+Ka hankasitrahanao Jehovah ô, ry Vatolampiko+ sy Mpanavotra+ ahy!

Fanamarihana

Efitrefitra kely be dia be fametrahan’ny tantely ny maminy.