Salamo 2:1-12

2  Nahoana no mikorontana ireo firenena,+Ary mingonongonona milaza zava-poana ny firenena samy hafa?+   Mitsangana ny mpanjakan’ny tany,+Ary mivondrona ny manam-pahefana,+Mba hanohitra an’i Jehovah+ sy ilay voahosony,+   Ka milaza hoe: “Andao hotapahintsika ny fatotra nataony,+Ary hariantsika any lavitra any ny tady namatorany antsika!”+   Hihomehy fotsiny anefa Ilay mipetraka any an-danitra.+Eny, haneso azy ireo i Jehovah.+   Hiteny amin’izy ireo amin-katezerana izy amin’izay,+Ary ao anatin’ny fisafoahana izy no hampisahotaka azy,+   Ka hilaza hoe: “Izaho efa nametraka ny mpanjakako+Ao Ziona,+ tendrombohitro masina.”+   Aoka aho hilaza ny didin’i Jehovah.Hoy izy tamiko: “Ianao no zanako,+Ary izaho efa tonga rainao androany.+   Angataho amiko+ ireo firenena, dia homeko ho lovanao,+Ary ny vazan-tany efatra, fa homeko ho fanananao.+   Hopotehinao amin’ny tehim-by ireny,+Ary homontsamontsaninao toy ny vilany tanin’ny mpanefy tanimanga.”+ 10  Koa aoka ho malina ianareo, ry mpanjaka ô,Ary maneke fanitsiana, ry mpitsara eto an-tany ô!+ 11  Manompoa an’i Jehovah amin-tahotra,+Ary mifalia, nefa koa mangovita.+ 12  Orohy ilay zanaka,+ mba tsy ho tezitra Andriamanitra,Ary mba tsy ho ringana* ianareo,+Fa mora mirehitra ny fahatezerany.+Sambatra izay rehetra mialoka aminy!+

Fanamarihana

Na: “tsy ho ringana eo amin’ny lalan’ny fahamarinana.”