Salamo 21:1-13

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 21  Jehovah ô, mifaly amin’ny herinao ny mpanjaka,+Ary vao mainka te hifaly amin’ny famonjenao izy!+   Nomenao azy izay nirin’ny fony,+Ary tsy nolavinao izay notadiaviny.+ Sela.   Notahinao izy ka nomenao zava-tsoa,+Ary nosatrohanao satroboninahitra vita tamin’ny volamena voadio.+   Ny ho ela velona no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany.+Nataonao lava andro iainana tokoa izy, eny, mandrakizay mihitsy aza.+   Noho ny famonjenao dia lehibe ny voninahiny.+Ary omenao haja amam-boninahitra izy.+   Fa omenao fitahiana lehibe mandrakizay izy,+Ary ataonao ravoravo amin’ny fifaliana eo anatrehanao.+   Fa matoky an’i Jehovah ny mpanjaka,+Eny, matoky ny hatsaram-panahy feno fitiavana avy amin’ilay Avo Indrindra izy. Tsy hisy hampangozohozo azy.+   Ho azon’ny tananao ny fahavalonao rehetra,+Ary ho azon’ny tananao ankavanana ireo mankahala anao.   Hataonao toy ny lafaoro mirehitra ireny amin’ny fotoana voatondro hisehoanao.+Hatelin’i Jehovah ao anatin’ny fahatezerany ireny, ary ho levon’ny afo.+ 10  Haringanao tsy ho etỳ an-tany ny zanany,+Ary hofoananao tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny taranany.+ 11  Nitady hanisy ratsy anao ireny,+Ary nieritreritra teti-dratsy, nefa tsy nahatanteraka akory.+ 12  Fa hampandositra an’ireny ianao,+Noho ny tadin-tsipìkanao izay efa nomaninao hamelezana azy.+ 13  Aoka hisandratra amin’ny herinao ianao, Jehovah ô!+Hihira sy hanandra-peo hidera ny herinao izahay.+

Fanamarihana