Salamo 22:1-31

Ho an’ny mpitarika. Hohiraina araka ny feon’ny Serfavavin’ny Maraina Vao Mangiran-dratsy. Hiran’i Davida. 22  Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?+Nahoana no lavitra ahy ianao, ka tsy mamonjy ahy+Sady tsy mihaino ny fitarainako?+   Andriamanitro ô, miantso anao foana aho amin’ny antoandro nefa tsy mamaly ianao,+Ary miantso koa aho amin’ny alina, ka tsy mangina mihitsy ny vavako.+   Masina anefa ianao,+Ary heniky ny fiderana avy amin’ny Israely.+   Ianao no nitokisan’ny razanay.+Nitoky taminao izy, ka nanafaka azy foana ianao.+   Ianao no nitarainan’izy ireo,+ ka voavonjy izy,+Ary ianao no nitokisany, ka tsy nitsanga-menatra izy.+   Kankana anefa aho,+ fa tsy olonaAry henatra ho an’ny olona sady hamavoin’ny vahoaka.+   Maneso ahy izay rehetra mahita ahy.+Manondro molotra sy mihivingivin-doha+ izy, ka manao hoe:   “Efa nankininy tamin’i Jehovah ny fiainany,+ koa aoka Izy hamonjy azy!+Aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy!”+   Ianao no nisintona ahy hivoaka avy tao an-kibo,+Sy nahatonga ahy tsy hanana ahiahy teo an-tratran-dreniko.+ 10  Vao teraka aho, dia efa nankinina taminao.+Mbola tany an-kibon-dreniko aho, dia efa ianao no Andriamanitro.+ 11  Aoka ianao tsy ho lavitra ahy, fa mananontanona ny fahoriana.+Tsy misy hafa hamonjy ahy mantsy.+ 12  Misy vantotr’ombilahy maro be mitangorona amiko,+Ary omby matanjaka avy any Basana no manodidina ahy.+ 13  Manokatra ny vavany hamelezana ahy izy ireo,+Toy ny liona mamiravira sy mierona.+ 14  Nararaka toy ny rano aho,+Ary nosaratsarahina ny taolako rehetra.+Tonga toy ny savoka ny foko,+Ka nitsonika tao anatiko lalina tao.+ 15  Tsy misy hery intsony ato amiko, fa maina toy ny silaka vilany tany aho.+Miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako,+Ary eo amin’ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.+ 16  Fa mitangorona amiko ny alika,+Ary manodidina ahy ireo mpanao ratsy maro be,+Izay toy ny liona manaikitra ny tanako sy ny tongotro.+ 17  Afaka manisa ny taolako rehetra aho.+Mandinika ahy ny fahavaloko, ka mibanjina ahy.+ 18  Ifampizaran’izy ireo ny fitafiako,+Ary anaovany antsapaka ny akanjoko.+ 19  Fa ianao kosa Jehovah ô, aoka ianao tsy ho lavitra ahy.+Ianao no heriko,+ ka ampio haingana aho.+ 20  Afaho tsy ho azon-tsabatra aho.+Avoty tsy ho azon’ny alika ny aiko, izay lahitokako.+ 21  Vonjeo aho mba tsy ho lanin’ny liona.+Valio aho ka vonjeo tsy ho azon’ny tandroky ny ombidia.+ 22  Hanambara ny anaranao+ amin’ny rahalahiko+ aho.Eo anivon’ny fiangonana no hiderako anao.+ 23  Ianareo izay matahotra an’i Jehovah, miderà Azy!+Ianareo rehetra taranak’i Jakoba, mankalazà Azy!+Ary matahora Azy, ianareo rehetra taranak’i Israely.+ 24  Fa tsy ataony tsinontsinona+Na hamavoiny ny fahorian’ny ory.+Tsy manafina ny tavany aminy izy.+Nohenoiny ny ory rehefa niantso vonjy taminy.+ 25  Noho ny zava-bitanao, dia hidera anao eo anivon’ny fiangonana lehibe aho.+Hanefa ny voadiko eo anatrehan’ireo matahotra azy aho.+ 26  Hihinana ny mpandefitra ka ho voky,+Ary hidera an’i Jehovah ireo mitady Azy.+Hitepo* mandrakizay anie ny fonareo!+ 27  Hahatsiaro an’i Jehovah ny vazan-tany efatra, ka hiverina aminy.+Ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokom-pirenena rehetra.+ 28  Fa an’i Jehovah ny fanjakana,+Izy no mitondra an’ireo firenena.+ 29  Hihinana sy hiankohoka eo anatrehany daholo ny mpanankarena eto an-tany.+Handohalika eo anatrehany izay rehetra hidina any amin’ny vovoka,+Ary tsy hisy olona ho afaka hiaro ny tenany* tsy ho faty.+ 30  Hisy taranaka hanompo azy.+Hambara amin’ny taranaka ho avy ny momba an’i Jehovah.+ 31  Ho avy izy ireo ka hanambara ny fahamarinany+Amin’ny vahoaka mbola hateraka, ary hilaza fa izy no nanao izany.+

Fanamarihana

A.b.t.: “ho velona.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.