Salamo 24:1-10

Hiran’i Davida. 24  An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy,+Eny, ny tany lonaka sy izay monina eo aminy.+   Naoriny teo ambonin’ny ranomasina izy,+Ary ataony mafy orina eo ambonin’ny renirano.+   Iza no hankany an-tendrombohitr’i Jehovah?+Ary iza no hiakatra any amin’ny toerany masina?+   Izay tsy manan-tsiny eo amin’izay ataon’ny tanany sady madio fo,+Ary tsy manao tsinontsinona Ahy,*+Na mianiana hoenti-mamitaka.+   Handray fitahiana avy amin’i Jehovah izy,+Ary hanaiky azy ho marina ilay Andriamanitry ny famonjena azy.+   Izany no taranaka mitady Azy.Izany no taranaka mitady anao,* ry Andriamanitr’i Jakoba ô!+ Sela.   “Aoka ianareo ho avo kokoa, ry vavahady ô,+Ary aoka ianareo hisondrotra, ry fidirana efa nisy hatry ny ela ô,+Mba hidiran’ilay Mpanjaka be voninahitra!”+   “Iza izany Mpanjaka be voninahitra izany?”+“I Jehovah, ilay matanjaka sy mahery!+I Jehovah, ilay mpiady mahery!”+   “Aoka ianareo ho avo kokoa, ry vavahady ô,+Eny, aoka ianareo ho avo kokoa, ry fidirana efa nisy hatry ny ela ô,Mba hidiran’ilay Mpanjaka be voninahitra!”+ 10  “Iza marina izany Mpanjaka be voninahitra izany?”“I Jehovah Tompon’ny tafika! Izy ilay Mpanjaka be voninahitra!”+ Sela.

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “ny tavanao.”