Salamo 25:1-22
Nataon’i Davida.
א [Alefa]
25 Ianao no anolorako ny tenako, Jehovah ô!+
ב [Beta]
2 Andriamanitro ô, ianao no itokisako,+Enga anie ka tsy hitsanga-menatra aho!Aoka tsy ho faly amin’ny fahavoazako ny fahavaloko.+
ג [Gimela]
3 Eny, tsy hisy ho menatra izay manantena anao.+Fa ho menatra kosa ireo mamitaka nefa tsy mahavoa.+
ד [Daleta]
4 Ampahafantaro ahy ny lalanao, Jehovah ô,+Ampianaro ahy ny lalanao.+
ה [He]
5 Ampandehano amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro,+Fa ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy.+ו [Vao]Ianao foana no antenaiko.+
ז [Zaina]
6 Jehovah ô, tsarovy ny famindram-ponao+ sy ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+Fa efa hatramin’ny fotoana tsy voafetra no nanehoanao izany.+
ח [Heta]
7 Hadinoy re ny fahotan’ny fahatanorako sy ny fikomiako e!+Tsarovy anefa aho, noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+Sy noho ny hatsaran-toetranao, Jehovah ô!+
ט [Teta]
8 Tsara toetra sy mahitsy i Jehovah,+Ka ampianariny lala-mahitsy ny mpanota.+
י [Yôda]
9 Hataony izay hanarahan’ny mpandefitra ny didim-pitsarany,+Ary hampianariny ny lalany ny mpandefitra.+
כ [Kafa]
10 Ny lalan’i Jehovah rehetra dia hatsaram-panahy sy fahamarinana,Ho an’izay manaja ny fifanekena+ nataon’Andriamanitra sy manaraka ny fampahatsiahivany.+
ל [Lameda]
11 Noho ny anaranao, Jehovah ô,+Dia mamelà ny fahadisoako, fa lehibe izany.+
מ [Mema]
12 Iza no olona matahotra an’i Jehovah?+Hampianatra azy momba izay lalana hofidiny Izy.+
נ [Nona]
13 Ho ampoky ny soa ny fiainany,+Ary handova ny tany ny taranany.+
ס [Sameka]
14 Izay matahotra an’i Jehovah no manana fifandraisana akaiky aminy,+Sy anaovany fifanekena, ary ampahafantariny azy izany.+
ע [Aina]
15 Mibanjina an’i Jehovah foana ny masoko,+Fa izy no manafaka ny tongotro tsy ho azon’ny harato.+
פ [Pe]
16 Mba jereo aho ka iantrao,+Fa irery sy ory.+
צ [Tsade]
17 Mihamaro ny fahorian’ny foko.+Afaho amin’ny fahorian-tsaina aho.+
ר [Resa]
18 Jereo ny fahoriako sy ny fijaliako,+Ary mamelà ny fahotako rehetra.+
19 Jereo fa lasa maro be ny fahavaloko,+Ary mankahala mafy ahy izy sady te hanisy ratsy ahy.+
ש [Shina]
20 Arovy aho ka afaho.+Tsy hitsanga-menatra anie aho, fa ianao no ialofako.+
ת [Tao]
21 Aoka hiaro ahy ny tsy fivadihana sy ny fahitsiana,+Fa ianao no antenaiko.+
22 Andriamanitra ô, avoty amin’ny fahoriany rehetra ny Israely.+