Salamo 27:1-14

Nataon’i Davida. 27  I Jehovah no mpanazava+ sy mpamonjy ahy,+Koa iza no hatahorako?+I Jehovah no manda miaro ny aiko,+Koa iza no haharaiki-tahotra ahy?+   Raha manatona hamely ahy mba hihinana ny nofoko ny mpanao ratsy,+Izay fahavaloko sy mpandrafy ahy,+Dia izy ireo ihany no ho tafintohina ka ho lavo.+   Na dia misy tafika manangana toby hamelezana ahy aza,+Dia tsy mba hatahotra ny foko.+Na dia misy miady amiko aza,+Dia feno toky aho.+   Zavatra iray monja no angatahiko amin’i Jehovah,+Eny, izay ihany no hotadiaviko,+Dia ny honina ao an-tranon’i Jehovah mandritra ny androm-piainako.+Amin’izay aho dia hahita ny hatsaran’i Jehovah+Sy ho finaritra hijery ny tempoliny.+   Fa hanafina ahy ao amin’ny toeram-piafenany izy amin’ny andro mahory,+Ary hampiery ahy ao amin’ny toerana miafina ao an-tranolainy.+Eny amin’ny harambato avo be no hametrahany ahy.+   Hisandratra ho ambonin’ny fahavaloko rehetra manodidina ahy aho.+Horakora-pifaliana no hatolotro ho sorona ao an-tranolain’Andriamanitra,+Ary hihira sy hanandra-peo hidera an’i Jehovah aho.+   Jehovah ô, henoy aho rehefa manandratra ny feoko hiantso anao,+Ary aoka ianao ho tsara fanahy amiko, ka hamaly ahy.+   Hoy aho tato am-poko: “Ianao efa nandidy anay hoe: ‘Mitadiava ahy*+ ianareo.’”Ianao tokoa no hotadiaviko, Jehovah ô!+   Aza manafina ny tavanao amiko.+Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao.+Aoka ianao hanampy ahy.+Aza mahafoy na mandao ahy, ry Andriamanitra mpamonjy ahy ô!+ 10  Na mandao ahy aza ny raiko sy ny reniko,+Dia handray ahy kosa i Jehovah.+ 11  Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô,+Ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho mba tsy ho azon’ny fahavaloko. 12  Aza atolotra eo an-tanan’ny fahavaloko aho,+Fa mitsangana hiampanga ahy ny vavolombelona mandainga,+ Sy izay mihetraketraka amiko.+ 13  Inona no ho niafarako raha tsy nino aho hoe hahita ny hatsaran-toetran’i Jehovah eo amin’ny tanin’ny velona?+ 14  Aoka ianao hanantena an’i Jehovah,+ manàna herim-po ary hatanjaho ny fonao,+Eny, aoka ianao hanantena an’i Jehovah.+

Fanamarihana

A.b.t.: “ny tavako.”