Salamo 28:1-9

Nataon’i Davida. 28  Ianao no antsoiko mandrakariva, Jehovah ô!+Aza manampin-tsofina tsy hihaino ahy, ry Vatolampiko ô,+Mba tsy hahatonga anao hangina tsy hamaly ahy+Ary mba tsy ho sahala amin’ireo midina any an-davaka aho.+   Henoy ny fitalahoako rehefa miantso vonjy aminao aho,Sy rehefa manandratra ny tanako+ manandrify ny efitra anatiny indrindra amin’ny toeranao masina.+   Aza taritaritina miaraka amin’ny ratsy fanahy sy ny mpanao ratsy aho.+Fihavanana no resahin’ireny amin’ny namany+ nefa ratsy ny ao am-pony.+   Valio araka ny asany ireny,+Eny, araka ny ratsy fanaony.+Valio araka ny asan’ny tanany ireny.+Ataovy mitsingerina aminy ihany ny ataony.+   Fa tsy ahoan’ireny izay ataon’i Jehovah+Sy ny asan’ny tanany.+Hotorotoroin’Andriamanitra ireny, ary hataony tsy ho tafarina intsony.   Hisaorana anie i Jehovah fa nohenoiny ny fitalahoako!+   I Jehovah no heriko+ sy ampingako.+Izy no itokian’ny foko.+Nanampy ahy izy ka faly ny foko,+Ary ny hirako no hiderako azy.+   I Jehovah no herin’ny vahoakany,+Ary izy no fiarovana mafy izay mitondra famonjena lehibe ho an’ny voahosony.+   Vonjeo ny vahoakanao, ary tahio ny lovanao.+Aoka ianao ho mpiandry azy ka hitondra azy mandritra ny fotoana tsy voafetra.+

Fanamarihana