Salamo 29:1-11

Hiran’i Davida. 29  Ekeo fa be voninahitra sy mahery i Jehovah, ry zanaky ny mahery ô!Ekeo fa be voninahitra sy mahery i Jehovah.+   Ekeo fa be voninahitra ny anaran’i Jehovah.+Miankohofa eo anatrehan’i Jehovah amin’ny fitafiana masina.+   Eny ambonin’ny rano ny feon’i Jehovah.+Mampirefotra kotroka+ ilay Andriamanitra be voninahitra.+Eny ambonin’ny rano be i Jehovah.+   Midoboka mafy ny feon’i Jehovah.+Be voninahitra ny feon’i Jehovah.+   Tapatapaka ny sedera noho ny feon’i Jehovah.Eny, ataon’i Jehovah tapatapaka tanteraka ny sederan’i Libanona.+   Ataony mitsambikimbikina toy ny zanak’omby ireny,+Ary ataony mifalihavanja toy ny zanak’ombidia i Libanona sy Siriona.+   Mahatonga afo ny feon’i Jehovah.+   Ny feon’i Jehovah no mahatonga ny tany efitra hiolanolana noho ny fanaintainana,+Eny, ataon’i Jehovah miolanolana ny tany efitr’i Kadesy.+   Mampihetsi-jaza ny serfavavy ny feon’i Jehovah,+Sady mampangadihady ny toerana rakotra ala.+Koa samy milaza daholo ny ao an-tempoliny hoe: “Voninahitra ho an’Andriamanitra!”+ 10  Mipetraka eo ambonin’ny safodrano i Jehovah.+Mitoetra ho mpanjaka mandritra ny fotoana tsy voafetra i Jehovah.+ 11  Hanome hery ny vahoakany i Jehovah.+Hitahy ny vahoakany i Jehovah ka hanome azy fiadanana.+

Fanamarihana