Salamo 30:1-12

Hira fiderana natao tamin’ny fitokanana ny trano.+ Nataon’i Davida. 30  Hanandratra anao aho, Jehovah ô, fa nisintona ahy hiakatra ianao,+Ary tsy navelanao hifaly amin’ny fahavoazako ny fahavaloko.+   Jehovah Andriamanitro ô, niantso vonjy taminao aho, ka nositraninao.+   Jehovah ô, toy ny nakarinao avy tany amin’ny Fasana* aho.*+Tsy navelanao ho faty aho, mba tsy hidinako any an-davaka.+   Manaova hira fiderana ho an’i Jehovah, ry olony tsy mivadika aminy ô!+Isaory ny anarany masina, izay tokony hotsarovana.+   Fa vetivety ihany ny fahatezerany,+Fa mandritra ny androm-piainana kosa ny fankasitrahany.+Tonga hivahiny ny fitomaniana amin’ny takariva,+ fa fihobiana kosa no mandimby azy rehefa maraina.+   Hoy aho tamin’izaho mbola niadana:+“Tsy hangozohozo mihitsy aho.”+   Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nataonao mafy orina ny tendrombohitro.+Nanafina ny tavanao ianao, ka very hevitra aho.+   Ianao foana no nantsoiko, Jehovah ô!+I Jehovah no nitalahoako famindram-po.+   Inona no soa azo amin’ny rako raha midina any an-davaka aho?+Ny vovoka angaha hidera anao,+ na hilaza ny fahamarinanao?+ 10  Mihainoa, Jehovah ô, ary aoka ianao ho tsara fanahy amiko.+Jehovah ô, aoka ianao hanampy ahy.+ 11  Novanao ho fandihizana ny fisaonako.+Nesorinao ny akanjo gony nanaovako, ka nampisikininao fifaliana aho,+ 12  Mba hahafahan’ny voninahitro hihira fiderana ho anao, fa tsy hangina fotsiny.+Jehovah Andriamanitro ô, hidera anao mandritra ny fotoana tsy voafetra aho.+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.