Salamo 31:1-24

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 31  Ianao no ialofako, Jehovah ô!+Aoka tsy hitsanga-menatra mihitsy aho.+Afaho aho noho ny fahamarinanao.+   Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ahy.+Afaho haingana aho.+Aoka ianao ho vatolampy fiarovana mafy ho ahy,+Sy ho trano voaro mafy mba hahavoavonjy ahy.+   Fa ianao no harambatoko sy fiarovana mafy ho ahy.+Ary noho ny anaranao,+ dia hitari-dalana sy hitondra ahy ianao.+   Hamoaka ahy avy ao anatin’ny harato nafenina hamandrihana ahy ianao,+Fa ianao no fiarovana mafy ho ahy.+   Apetrako eo am-pelatananao ny aiko.*+Nanavotra ahy ianao,+ ry Jehovah Andriamanitry ny fahamarinana ô!+   Halako ireo mitoky amin’ny sampy tsy misy fotony sy tsy misy ilana azy.+Fa izaho kosa dia i Jehovah no itokisako.+   Hifaly sy hiravoravo aho noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+Satria mahita ny fijaliako ianao.+Mahalala ny fahoriana manjo ahy ianao,+   Ka tsy manolotra ahy eo an-tanan’ny fahavalo.+Mampijoro ahy eo amin’ny toerana malalaka ianao.+   Aoka ianao ho tsara fanahy amiko Jehovah ô, fa azom-pahoriana mafy aho.+Reraky ny fahoriana ny masoko+ sy ny tenako ary ny kiboko.+ 10  Lany tamin’ny alahelo ny fiainako,+Ary lany tamin’ny fisentoana ny taona iainako.+Kely ny heriko noho ny fahadisoako,+Ary nanjary nangozohozo ny taolako.+ 11  Lasa olona fandatsa+ aho eo imason’izay rehetra mankahala ahy,+Ary indrindra fa eo imason’ny mpiara-monina amiko.+Nanjary natahoran’ny olom-pantatro aho.+Mandositra izy ireo rehefa mahita ahy eny ivelany eny.+ 12  Efa hadino aho, toy ny olona maty izay tsy ao am-po intsony.+Nanjary toy ny vilany vaky aho.+ 13  Reko ny fanaratsian’ny maro.+Feno tahotra hatraiza hatraiza.+Rehefa mivondrona hamely ahy ireny,+Dia ny hanapitra ny aiko no tetehiny.+ 14  Fa izaho kosa dia ianao no itokisako, Jehovah ô!+Hoy aho: “Ianao no Andriamanitro.”+ 15  Eo am-pelatananao ny fiainako.+Afaho aho tsy ho azon’ny fahavaloko sy ny mpanenjika ahy.+ 16  Aoka ianao hampamirapiratra ny tavanao amin’ny mpanomponao.+Vonjeo aho, noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.+ 17  Jehovah ô, aoka tsy hitsanga-menatra aho satria miantso anao.+Fa aoka kosa ny ratsy fanahy hitsanga-menatra.+Aoka hangina ao amin’ny Fasana* ireny.+ 18  Aoka tsy hahateny ny molotra mandainga,+Izay miteny hanohitra ny olo-marina,+ ka mirehareha sy manamavo tafahoatra.+ 19  Lehibe tokoa ny hatsaran-toetranao,+ izay tehirizinao ho an’ireo matahotra anao,+Sady asehonao amin’ireo mialoka aminao,Eny, asehonao eo anatrehan’ny zanak’olombelona.+ 20  Hafeninao ao amin’ny toerana miafina eo akaikinao izy,+Mba tsy ho azon’ny olona miray tetika hamely azy.+Hampiery azy ao amin’ny trano rantsankazo ianao, mba tsy ho azon’ireo tia mifanditra izy.+ 21  Hisaorana anie Jehovah,+Fa nanehoany hatsaram-panahy lehibe aho,+ tao amin’ny tanàna natao fahirano!+ 22  Hoy aho tamin’izaho raiki-tahotra:+“Ho ringana tokoa tsy ho eo anatrehanao aho.”+Tena renao ny fitalahoako rehefa niantso vonjy taminao aho.+ 23  Aoka ho tia an’i Jehovah ianareo rehetra tsy mivadika aminy.+Arovan’i Jehovah ny olona mendri-pitokisana,+Fa mafy dia mafy kosa no avaliny an’izay mirehareha.+ 24  Manàna herim-po ary hatanjaho ny fonareo,+Dia ianareo rehetra izay miandry an’i Jehovah.+

Fanamarihana

Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.