Salamo 32:1-11

Maskila nataon’i Davida. 32  Sambatra izay voavela ny helony ary voasarona ny fahotany.+   Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah ny fahadisoany.+Sambatra ny olona tsy mieritreritra ny hamitaka.+   Nangina tsy niteny aho, ka nihalany ny taolako satria nitoloko mandrakariva aho.+   Fa navesatra tamiko ny tananao, na andro na alina.+Ritra toy ny rano azon’ny hafanana migaingaina amin’ny main-tany ny heriko.+ Sela.   Niaiky ny fahotako teo anatrehanao aho tamin’ny farany, ary ny fahadisoako tsy mba nosarontsaronako.+Hoy aho: “Hiaiky ny heloko eo anatrehan’i Jehovah aho.”+Dia namela ny fahadisoako sy ny fahotako ianao.+ Sela.   Koa hivavaka aminao izay rehetra tsy mivadika aminao,+Dieny mbola hita ianao.+Ary na tondraka aza ny rano be, dia tsy hahatratra azy izany.+   Ianao no fiafenako, ary hiaro ahy tsy ho azom-pahoriana ianao.+Fihobiana no hataonao manodidina ahy satria manafaka ahy ianao.+ Sela.   “Hataoko izay hahatonga anao ho malina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao.+Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.+   Aza manao toy ny soavaly na ny ramole tsisy saina.+Lamboridy sy tady no ihazonana azy tsy hitrifana,+Raha tsy izany izy tsy manatona anao.”+ 10  Be ny fahorian’ny ratsy fanahy,+Fa izay matoky an’i Jehovah kosa voahodidina hatsaram-panahy feno fitiavana.+ 11  Mifalia amin’i Jehovah ry olo-marina, ary miravoravoa.+Mihobia ianareo rehetra mahitsy fo.+

Fanamarihana