Salamo 33:1-22

33  Mihobia noho ny amin’i Jehovah, ry olo-marina!+Mety raha manao fiderana ny olo-mahitsy.+   Misaora an’i Jehovah amin’ny harpa.+Manaova hira fiderana ho azy amin’ny lokanga misy tadiny folo.+   Mihirà hira vaovao ho azy.+Tendreo araka izay fara fahaizanareo ny zavamaneno, ary manaova horakora-pifaliana.+   Fa mahitsy ny tenin’i Jehovah,+Ary azo itokisana Izy amin’ny asany rehetra.+   Tia ny rariny sy ny hitsiny izy.+Ary heniky ny hatsaram-panahin’i Jehovah ny tany.+   Ny tenin’i Jehovah no nampisy ny lanitra,+Ary ny fofonain’ny vavany no nampisy ny zava-drehetra eny.+   Angoniny ny ranomasina, toy ny hoe asiany fefy manodidina,+Ary ny rano manonja dia ataony anaty trano fitehirizana.   Aoka hatahotra an’i Jehovah ny olona rehetra eto an-tany.+Aoka izy no hatahoran’ny mponina rehetra eto an-tany.+   Fa niteny izy, dia nisy izany.+Ary nandidy izy, dia niforona izany.+ 10  Manafoana ny fikasan’ireo firenena i Jehovah,+Ary ataony mandamòka ny tetiky ny vahoaka.+ 11  Maharitra tsy miova mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fikasan’i Jehovah,+Ary tsy miova ny hevitry ny fony, na dia hatramin’ny taranaka fara mandimby aza.+ 12  Sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny,+Sy ny vahoaka nofidiny ho lovany.+ 13  Avy any an-danitra i Jehovah no mitazana,+Ka hitany ny zanak’olombelona rehetra.+ 14  Eo amin’ny toerana raikitra izay onenany izy+No mandinika ny mponina rehetra eto an-tany. 15  Namorona ny fon’izy rehetra izy.+Dinihiny daholo izay ataon’izy ireo.+ 16  Tsy misy mpanjaka ho voavonjy na dia manana tafika maro be aza,+Ary ny olona matanjaka dia tsy ho voavonjin’ny hery lehibe ananany.+ 17  Tsy azo antenaina hahazoana famonjena ny soavaly,+Sady tsy mahavonjy na dia matanjaka be aza.+ 18  Ny mason’i Jehovah mitsinjo an’izay matahotra azy,+Dia ireo miandry ny hatsaram-panahiny feno fitiavana,+ 19  Mba hanafahana azy ireo amin’ny fahafatesana,+Sy hitsimbinana ny ainy amin’ny fotoanan’ny mosary.+ 20  Miandry an’i Jehovah isika.+Izy no mpanampy antsika sy ampingantsika.+ 21  Izy no ifalian’ny fontsika,+Ary ny anarany masina no itokisantsika.+ 22  Jehovah ô, ho aminay anie ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+Fa miandry anao foana izahay!+

Fanamarihana