Salamo 34:1-22

Nataon’i Davida, tamin’izy nody adala+ teo anatrehan’i Abimeleka* ka noroahiny, ary lasa nandeha. א [Alefa] 34  Hisaotra an’i Jehovah mandrakariva aho,+Ho eo am-bavako foana ny fiderana azy.+ ב [Beta]   I Jehovah no ho reharehako.+Handre izany ny mpandefitra ka ho faly.+ ג [Gimela]   Mankalazà an’i Jehovah miaraka amiko,+Ary andao isika hiara-manandratra ny anarany.+ ד [Daleta]   Nanontany an’i Jehovah aho, dia namaly ahy izy,+Ka nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra.+ ה [He]   Miramirana izay nijery azy,+Ary tsy nisy henatra hita soritra teny amin’ny endrik’ireny.+ ז [Zaina]   Niantso ity olona ory ity, dia nohenoin’i Jehovah,+Ka novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra.+ ח [Heta]   Ny anjelin’i Jehovah dia mitoby manodidina an’izay matahotra Azy,+Ka mamonjy azy.+ ט [Teta]   Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah.+Sambatra ny olona mialoka aminy.+ י [Yôda]   Matahora an’i Jehovah, ry olony masina,+Fa tsy ho ory na inona na inona izay matahotra azy.+ כ [Kafa] 10  Zara raha manan-kohanina ny liona tanora matanjaka ka noana,+Fa izay mitady an’i Jehovah kosa tsy mba ho ory zava-tsoa.+ ל [Lameda] 11  Avia ianareo, anaka, ary mihainoa ahy.+Ny fahatahorana an’i Jehovah no hampianariko anareo.+ מ [Mema] 12  Iza no olona finaritra amin’ny fiainana,+Ka te ho ela velona mba hahita zava-tsoa?+ נ [Nona] 13  Tandremo tsy hilaza zava-dratsy ny lelanao.+Ary tandremo tsy hiteny fitaka ny molotrao.+ ס [Sameka] 14  Mialà amin’ny ratsy ka manaova ny tsara.+Mitadiava fihavanana ka tandrovy izany.+ ע [Aina] 15  Ny mason’i Jehovah mitsinjo ny olo-marina,+Ary ny sofiny mihaino ny antso vonjy ataon’izy ireo.+ פ [Pe] 16  Ny tavan’i Jehovah kosa manohitra ny mpanao ratsy,+Mba tsy hotsarovana etỳ an-tany intsony ireny.+ צ [Tsade] 17  Nitaraina ny olo-marina, dia nihaino i Jehovah,+Ka nanafaka azy tamin’ny fahoriany rehetra.+ ק [Kôfa] 18  Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah,+Ary mamonjy an’izay ketraka.+ ר [Resa] 19  Maro ny fahorian’ny olo-marina,+Nefa manafaka azy amin’izany rehetra izany i Jehovah.+ ש [Shina] 20  Arovany daholo ny taolan’izany olona izany,Ka tsy misy tapaka ireny na iray aza.+ ת [Tao] 21  Ho fatin’ny loza ny ratsy fanahy.+Ary homelohina izay mankahala ny olo-marina.+ 22  Manavotra ny ain’ny mpanompony i Jehovah,+Ary tsy hisy homelohina izay mialoka aminy.+

Fanamarihana

Mety ho anaram-boninahitr’i Akisy Mpanjaka.