Salamo 36:1-12

Ho an’ny mpitarika. Nataon’i Davida, mpanompon’i Jehovah. 36  Ny fandikan-dalàna no miteny ao am-pon’ny ratsy fanahy.+Tsy hitany izay antony tokony hatahorana an’Andriamanitra.+   Fa mihevi-tena ho zavatra loatra izy,+Dia tsy hitany ny fahadisoany, ka tsy ankahalainy.+   Faharatsiana sy fitaka no lazain’ny vavany.+Tsy manam-pahendrena intsony hanaovana ny tsara izy.+   Mitetika ny hanao ratsy izy, na dia any am-pandrianany aza.+Mijanona eo amin’ny lalan-dratsiny izy,+Ary ny ratsy tsy mba laviny.+   Jehovah ô, any an-danitra ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+Ary tonga hatreny amin’ny rahona ny tsy fivadihanao.+   Toy ny tendrombohitrao ny fahamarinanao, Andriamanitra ô,+Rano lalina midadasika ny didim-pitsaranao.+Samy vonjenao na ny olona na ny biby, Jehovah ô!+   Sarobidy tokoa ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, Andriamanitra ô!+Ary eo ambany elatrao no ialofan’ny zanak’olombelona.+   Manaram-po amin’ny sakafo matavy ao an-tranonao izy,+Ary ataonao migoka fahafinaretana mikoriana toy ny rano.+   Fa ianao no loharanon’aina,+Ary ny fahazavana avy aminao no ahitanay fahazavana.+ 10  Aza mitsahatra maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’izay mahalala anao.+Ary aoka hampiharinao foana amin’ireo mahitsy fo ny fahamarinanao.+ 11  Tsy hamely ahy anie ny tongotry ny mpirehareha,+Ary tsy hahatonga ahy ho mpirenireny anie ny tanan’ny ratsy fanahy!+ 12  Indreo fa lavo ny mpanao ratsy.+Voazera izy ireo ka tsy tafarina intsony.+

Fanamarihana