Salamo 37:1-40

Nataon’i Davida. א [Alefa] 37  Aza tezitra noho ny amin’ny mpanao ratsy.+Ary aza mitsiriritra an’izay manao ny tsy marina.+   Fa ho maina vetivety toy ny ahitra izy,+Ary halazo toy ny ahi-maitso.+ ב [Beta]   Matokia an’i Jehovah ka manaova ny tsara.+Aoka ianao honina amin’ny tany sy ho mendri-pitokisana amin’izay ataonao.+   Aoka koa ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah,+Dia homeny anao izay irin’ny fonao.+ ג [Gimela]   Ankino amin’i Jehovah ny lalanao,+Ary miantehera aminy,+ dia hanao zavatra izy.+   Hataony miharihary toy ny hazavana ny fahamarinanao,+Ary hataony miharihary toy ny mitataovovonana ny fitiavanao ny rariny.+ ד [Daleta]   Aoka ianao hangina eo anatrehan’i Jehovah,+Ka hiandry azy fatratra.+Aza tezitra amin’ny olona mahomby amin’izay ataony,+Dia ny olona mahatanteraka ny teti-dratsiny.+ ה [He]   Ialao ny fahatezerana ary atsaharo ny fahavinirana.+Aza tezitra sao hahatonga anao hanao ratsy izany.+   Ny mpanao ratsy horinganina,+Fa izay manantena an’i Jehovah no handova ny tany.+ ו [Vao] 10  Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy.+Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy.+ 11  Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany,+Ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.+ ז [Zaina] 12  Manao tetika hamelezana ny olo-marina ny ratsy fanahy,+Ka mihidy vazana aminy.+ 13  Hihomehezan’i Jehovah anefa izy,+Satria hitany fa ho avy ny andro handringanana azy.+ ח [Heta] 14  Manatsoaka sabatra ny ratsy fanahy, sady mamatotra ny tadin-tsipìkany,+Mba handavoana ny ory sy ny mahantra,+Ary hamonoana an’ireo manao izay mahitsy.+ 15  Ny sabany ihany anefa no hitsatoka amin’ny fony,+Ary ho tapaka ny tsipìkany.+ ט [Teta] 16  Tsara kokoa ny kely ananan’ny olo-marina,+Toy izay ny be ananan’ny ratsy fanahy maro.+ 17  Ho tapaka ny sandrin’ny ratsy fanahy,+Fa i Jehovah kosa hanampy ny olo-marina.+ י [Yôda] 18  Fantatr’i Jehovah ny fiainan’ny tsy manan-tsiny,+Ary haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny lovan’izy ireo.+ 19  Tsy ho menatra izy ireo amin’ny fotoam-pahoriana,+Ary ho voky izy amin’ny andro isian’ny mosary.+ כ [Kafa] 20  Ho ringana ny ratsy fanahy,+Ary ny fahavalon’i Jehovah dia ho tahaka ny hakanton’ny kijana,Izay tsy maintsy ho levona.+ Eny, ho levona ireny ka ho lasa setroka.+ ל [Lameda] 21  Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy mamerina,+Fa ny olo-marina kosa miantra ka manao fanomezana.+ 22  Izay tahin’Andriamanitra no handova ny tany,+Fa izay hozoniny kosa ho ringana.+ מ [Mema] 23  Manomana ny lalan-kizoran’ny lehilahy tomady i Jehovah,+Ary finaritra amin’ny lalany.+ 24  Na dia solafaka aza izy dia tsy hidaraboka,+Fa i Jehovah no mitantana azy.+ נ [Nona] 25  Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho ankehitriny,+Nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka,+Na nahita ny zanany nangataka hanina.+ 26  Miantra olona mandrakariva izy ka mampisambotra,+Koa hahazo fitahiana ny taranany.+ ס [Sameka] 27  Mialà amin’ny ratsy ka manaova ny tsara,+Dia honina amin’ny tany mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao.+ 28  Fa tia rariny i Jehovah,+Ka tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy.+ע [Aina] Ho voaro mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo,+Fa horinganina kosa ny taranaky ny ratsy fanahy.+ 29  Ny olo-marina no handova ny tany,+Ka honina eo mandrakizay.+ פ [Pe] 30  Ny vavan’ny olo-marina no mibitsika fahendrena,+Ary ny lelany no manambara ny rariny.+ 31  Ao am-pony ny lalàn’Andriamanitra,+Ka tsy hiala amin’ny lala-mahitsy izy.+ צ [Tsade] 32  Ny ratsy fanahy mitsikilo ny olo-marina,+Ka mitady fomba hamonoana azy.+ 33  Fa i Jehovah kosa tsy hahafoy azy ho eo am-pelatanan’ny ratsy fanahy,+Na hanameloka azy rehefa tsaraina izy.+ ק [Kôfa] 34  Aoka ianao hanantena an’i Jehovah sy hanaraka ny lalany,+Dia hanandratra anao izy ary handova ny tany ianao.+Ho hitanao ny handringanana ny ratsy fanahy.+ ר [Resa] 35  Hitako fa mpanjakazaka ny ratsy fanahy,+Sady misandrahaka toy ny hazo midoroboka eo amin’ny tany efa nisy azy hatramin’izay.+ 36  Nihelina ihany anefa izy, ka tsy eo intsony.+Nitady azy foana aho, nefa tsy hita izy.+ ש [Shina] 37  Diniho ny tsy manan-tsiny, ary jereo ny olo-mahitsy,+Fa fiadanana no miandry azy amin’ny hoavy.+ 38  Ho ripaka daholo kosa ny mpandika lalàna,+Ary fandringanana no miandry ny ratsy fanahy, amin’ny hoavy.+ ת [Tao] 39  Avy amin’i Jehovah ny famonjena ny olo-marina,+Izy no fiarovana mafy ho azy ireo amin’ny fotoam-pahoriana.+ 40  Hanampy sy hanafaka azy ireo i Jehovah.+Hanafaka azy tsy ho azon’ny ratsy fanahy izy ka hamonjy azy,+Satria nialoka taminy ireo.+

Fanamarihana